🗣 Avia tantarao amin’Andriamanitra ny zavatra rehetra !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🗣 Avia tantarao amin’Andriamanitra ny zavatra rehetra !

Manantena aho fa fitahiana lehibe ho an’ny fiainanao ny zavatra hitantsika tato ho ato, ka hanampy anao hanolo ireo fanahiana amin’ny vavaka sy fankasitrahana mitafotafo.
Hanohy hijery ny andininy ho an’ny herinandro ity isika, izay milaza anio hoe “Ambarao Aminy ny antsipiriany momba ny fiainanao rehetra…” (Filipiana 4:6-7)
Tiako loatra io fomba fijery io ! Voalohany indrindra satria tena manafaka ny fahazoana milaza amin’olona ny zavatra kely amin’ny fiainana andavanandro. Izany no ataon’ny mpinamana indrindra : tsy andriny ny hiantso ilay anakiray mba hitantarana aminy izay nanjo azy.
Tsy ny olona rehetra mifanena amintsika no itantarantsika ny antsipiriany amin’ny fiainantsika fa ireo izay itokiantsika tanteraka ihany.
Izany no itiavako ity andinin-tsoratra ity rehefa mamporisika antsika hilaza amin’Andriamanitra ny antsipiriany rehetra amin’ny fiainantsika, satria toy izany no tokony ho fifandraisantsika Aminy:

  • Velona
  • Natoraly
  • Marina
  • Mangarahara sy tsotra

Tsy hanao fangatahana na hisaotra ihany no andehanantsika manoloana an’Andriamanitra, fa manatona Azy isika hitantara izay rehetra nanjo antsika nandritra ny andro, ary miandry izay lazainy momba izany.
Tsy hitsara anao nihitsy Izy manoloana izay lazainao Aminy, fa mainka aza hitari-dalana anao toy ny fanaon’ny Ray tsara !
Fifandraisana akaiky ary tena izy tahaka izany no fanafody tsara indrindra ho an’ny ahiahy. Eny tokoa, mamela antsika haneho amin’Andriamanitra izay manavesatra antsika izany ary manome fahafahana Azy hanampy antsika sy hanadio ny fontsika amin’ireo vesatra sy tahotra rehetra ireo.
Ry namako, maniry hanana io fifandraisana voajanahary sy velona io aminao Andriamanitra ! Izany no Faniriany lehibe indrindra ho an’ny zanany dia ny mikolokolo fiombonana lalina, sy ny mahita antsika tamy manatona Azy voalohany hatrany.
Ny fanatonana an’Andriamanitra dia tsy hoe tsy fanajana na faniratsirana fa ny mifanohitra amin’izany aza satria io mihitsy no fototry ny finamanana lalina sy fifandraisana tonga lafatra amin’ilay Raintsika any an-danitra.
Inona àry no andrasanao ? Afaka manomboka miteny Aminy izay rehetra ao am-ponao ianao anio sy izay rehetra nanjo anao. Ary mamelà Azy hameno anao amin’ny Fitiavany sy ny amin’ny Fahendreny amin’izay rehetra hataonao.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!