🗣️ Te hiresaka aminao Andriamanitra
Inona avy ireo teny nandratra anao ary nikasa hamafa ny nofinofinao ry namako?
Tamin’ny fiandohako tao anatin’ny sehatry ny mozika, taona maromaro lasa izay, dia maro tokoa ireo tranom-pamokarana noteteziko, rehefa nandray ny sidina farany ho any Berlin aho, nividy izany tamin’ny vola sisa nananako. Te hampahafantatra ireo sangan’asako aho kanefa ny valin-teny rehetra azoko dia: “Mahafinaritra ilay fahasahiana, fa mety aminao kokoa ny mitady asa hafa. Tsy mety aminao ny mozika.”
Nahatsiaro kivy tanteraka aho isaky izay mandre izany. Etsy andaniny, eo anatrehan’ ny nofy izay napetrak’Andriamanitra tato anatiko, anisan’izany io talenta io, ary koa ny fampanantenan’Andriamanitra nomeny ahy manao hoe: “Ary misy fanantenana ho anao any amparany” (Jeremia 31.17) . Etsy ankilany kosa , ireo valin-teny rehetra voaraiko: “Tsy mahay ianao”, tena tafalatsaka tanaty ady mafy aho.
Tsy nahakasika an’ilay mpamokatra ahy kosa anefa ireo fanehoan-kevitra miiba momba ahy. Averimberiny amiko hatrany hoe: “mazotoa foana ary mahareta” (jereo ny Ohabolana 13:4) Ho vitanao ny hihoatra ireo mpanapa-kevitra any amin’ny ireny trano famokarana ireny. Afaka ny ho voaroaka izy ireo rahampitso fa ny planin’ Andriamanitra ho anao kosa dia miorina mandrakizay.”
Ry namako, inona no tiako ambara amin’izany? Ankehitriny, taona maro aty aoriana, tsapako fa tena tanteraka ireo zavatra nolazain’ ilay mpamokatra ahy tamin’izany fotoana izany. Raha nahatoky ireo tenin’ireo olona tao amin’ireny tranom-pamokarana noteteziko ireny aho dia efa lavo niaraka tamin’izany. Saingy nanapa-kevitra ny hatoky an’Andriamanitra sy ny Teniny aho ary vavolombelona ny teny izay voasotra ao amin’ny Ohabolana hoe: “Tsy maha-tafatoetra ny olona ny haratsiana; Fa ny fakan’ny marina tsy mba hihetsika.” (Ohabolana 12:3)
Ry namako, te hampatsiahy anao aho anio fa mampanantena “hoavy mamiratra” ho anao koa Andriamanitra -na firy taona na firy taona ianao – izay tsy maintsy ho tanteraka na inona na inona teny nambara momba anao!
Ny Teniny dia MIHOATRA LAVITRA noho ny teny hafa!
Raha matoky an’Andriamanitra isika dia tsy hisy hampihozongozona antsika!
Eny, “….Fa ny fakan’ny marina tsy mba hihetsika” (Ohabolana 12:3)
Efa nanomana ho avy mamiratra ho anao Andriamanitra ry namako!
Matoky Azy fotsiny!