đđ»âđ»Valisoa 7 avy any an-danitra !
Mamarana ity fampianarana ity isika, feno ny Heriny sy amin’ny fahavononana mba hiaina ny fandresen’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra ataontsika! Izay no zavatra tsapako manokana! =) Manantena aho fa nampahery anao koa izany ry namana.
Omaly isika dia niresaka momba ny fanalahidy voarakitra ao aminâny Apokalypsy mba handresena ny fahavalo. Anio dia tiako hazavaina aminao ny valisoa 7 natokana ho anâny mpandresy, izay lazainâny Tompo tao anatinâny hafany ho anâireo fiangonanâny Apokalypsy. Ireto manaraka ireto :
- Hihinana ny hazonâaina, izay eo afovoanâny sahanâAndriamanitra izy ireo ( Apokalypsy 2:7 ).
- Tsy hiharanâny fahafatesana faharoa izy ireo ( Apokalypsy 2:11 ).
- Handray ny vatsy avy aminâAndriamanitra izy ireo ary hahazo anarana vaovao ( Apokalypsy 2:17 ).
- Hanjaka aminâny firenen-tsamy hafa izy ireo, ary hanana ny kintanâny maraina ( Apokalypsy 2:26-28 ).
- Hitafy lamba fotsy izy ireo, ary Jesosy hanaiky ny anarany eo anatrehanâny Ray sy ny lanitra rehetra, fa hosoratana ao aminâny Bokinâny fiainana izany ( Apokalypsy 3:5 ).
- Ho eo aminâny fanatrehanâAndriamanitra any an-danitra mandrakizay izy ireo ary hitondra ny anarany ( Apokalypsy 3:12 ).
- Hipetraka eo akaikinâi Jesosy eo aminâny seza fiandrianany izy ireo ( Apokalypsy 3:21 ).
Tsapanao ve ny valisoa rehetra ho azonao? Tena tsy mampino tsotra izao! Kanefa dia tena marina izany : indray andro any dia hahazo ireo valisoa ireo izaho sy ianao raha misafidy ny hiaina lalandava ao aminâny fandresena sy ny fankatoavana anâi Kristy.
Ry namako, manomboha miaina isan’andro ao amin’ny fandresena be voninahitra izay nomanin’i Kristy ho anao! Araka ny hitanao dia mahavariana ny voa vokarintsika any amin’ny mandrakizay. Fa dieny anio, ary ankehitriny dia manana hery hanova ny fiainanao ny Fandreseny!
Raha ny marina, amin’izao fotoana izao dia efa afaka manomboka manandrana ireo valisoa rehetra ireo isika. Mihoatra noho ny mpandresy ianao amin’ny alalan’i Jesosy!