🕶 Aiza ny faritra mampionona anao?
Araky ny hitantsika omaly, ny faherezana dia mila mandresy ny tahotra ary miala amin’ny faritra mampionona mba ahatsapantsika ny antson’Andriamanitra amintsika.
Tsaroako tamin’izaho adolantsento dia naniry ny ho any Barcelone aho niaraka tamin’ireo namako tao am-piangonana. Nila nandray anjara tamin’ny fihaonana tamin’ny tanora kristianina avy amin’ny lafivalon’i Espana izahay.
Tena naniry mafy aho ny hamonjy izany nefa koa fantatro fa tena hananosarotra ihany izany ho ahy. Satria tokoa dia mbola tsy nandeha lavitra toy izany aho, indrindra hoe izaho irery, tsy miaraka amin’ny fianakaviako. Sady fantatro fa io diako io dia hiteraka fifamaliana ao an-trano ary natahotra koa aho hoe hisy zavatra ratsy mety hanjo ahy mandritr’io dia io.
Tonga ihany moa ny andro farany fisoratana anarana ary tena efa namotsitra aho tao anatiko tao.
Ny alina mialoha izay anefa dia nisy tsindrimandry tena nahatonga ahy niteny tam-pifaliana tanteraka hoe : “ Tena tsy nanenina aho nankaty Barcelona!”. Tao anatin’io nofiko io dia toy ny efa nitranga ilay hetsika ary efa an-dalana nody aho. Tena tsapako hoe nisy fiantraikany goavana be tamin’ny fiainako io hetsika sy ireo olona nihaona tamiko.
Vao mangiran-dratsy tamin’ny 4 ora maraina aho no nifoha. Ary nandritry ny adin’ny 3 dia nivadibadika tao am-pandriako aho, nitady fialan-tsiny tsy handehanako any.
Nony farany dia nanapa-kevitra aho hiatrika ny tahotro ary rehefa avy nivavaka dia nangoniko ny heriko rehetra hiresaka amin’ny fianakaviako. Tena nahagaga fa nizotra tsara ny resakay mihoatra ny nosainiko. Dia lasa tany Barcelona aho ary nizotra araky ny nofiko ny diako tany!
Io traikefa io dia nanamarika ahy tamin’ny fiainako ary nanampy ahy hanao digan’ny finoana taty aoriana. Koa noho izany, tsikelikely teny dia nihoarako ny tahotro ary nitombo tamin’ny finoana sy niha-nahery aho.
Ny Baiboly dia milaza fa “Fa ny lalan’ny marina dia toy ny fipoak’andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro.” (Ohabolana 4:18).
Tahaka ny fipoak’andro maraina, ireo dingan’ny finoana izay ataonao anio sy ireo fandresenao dia hanampy anao hitombo sy hamiratra misimisy kokoa amin’ny fahazavan’Andriamanitra.
Ry namako, te hahery ve ianao? Afaka manao ny dingana voalohany ianao anio! Miala ny faritra mampionona anao ary atreho ny tahotrao ka mandrosoa! Hoavy mamiratra no miandry anao!