đź•‘ 5 minitra miaraka amin’Andriamanitra
Eo amin’ny fiainantsika andavanandro, ny zava-drehetra manodidina antsika dia afaka misarika ny saintsika… hany ka sarotra ny mifantoka matetika.
Tsy haiko ianao raha tahaka ahy fa tadidiko tamin’ny izaho mbola kely dia nararaotiko tsara ny fotoana rehetra.
Tahaka ny ao anatiko ao, dia efa fantatro fa misy fetra ny fotoana hanaovana ny zava-drehetra, ka vokatr’izany dia tsy nanahy na inona na inona aho.
Na fotoam-pilalaovana izany, na fotoam-pianarana na fotoana fisakafoana : nahafinaritra avokoa ireo fotoana rehetra ireo ary nankasitrahako tanteraka.
Amin’izao andro izao, ny fifantohana dia lasa sarotra kokoa noho ny taloha. Toy ny hoe miaina ao anatin’ny hazakazaka tsy tapaka isika, hany ka eo amin’ny finday foana isika, sy ny aterineto… na dia eo am-pisakafoanana aza. Saingy raha ny marina dia lasa tsy mianoka tanteraka iny fotoana iny intsony isika, ary tsy mankasitraka tanteraka ny zavatra ataontsika, na ny olona hiarahantsika manao izany.
Hoy ny Baiboly: “ Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra atỳ ambanin’ny lanitra ” ( Mpitoriteny 3.1)
Eny, mahafinaritra kokoa ny fiainana rehefa mankafy ny fotoana rehetra isika, ary indrindra rehefa miaina an-tsitrapo miaraka amin’ireo olona manan-danja indrindra amintsika isika.
Ry namako, ny Mpamorona ny fotoana dia te-handany fotoana miaraka aminao! Manatrika anao Izy. Tena manan-daja Aminy ianao ka ny Fanatrehany dia eo mandritry ny 24 ora isan’andro, 7 andro isan-kerinandro. Mifantoka aminao Izy : raha ny marina, tsy misy zavatra mampifaly Azy mihoatra noho ny mihaino anao sy mamaly anao.
Ary nahoana moa anio, na izao dia izao, hajanonao mandritra ny 5 minitra ny zavatra ataonao io, mba hifantohanao amin’Andriamanitra : mba hiresaka Aminy fotsiny ary hanana fifandraisana amin’ny fo lalina, tsy misy mpanelingelina ? Ianao sy Andriamanitra irery ihany, mandritra ny 5 minitra. Azoko antoka fa hanova ny ambin’ny tontolo andronao anio io fotoana io.
Hotahina ianao.