🕊 Iaino ny fiadanan’Andriamanitra mahagaga

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🕊 Iaino ny fiadanan’Andriamanitra mahagaga

Tonga amin’ny faran’ity andininy ity isika, izay mikatsaka ny hanafoana ny tebiteby amin’ny fiainantsika. Ary anio dia handinika ny iray amin’ireo fanalahidin’io andinin-tsoratra io isika.
Tena inoako fa io fanalahidy io no hanampy anao hahatakatra misimisy kokoa ny momba ny Fanjakan’Andriamanitra.
Ndeha hiverenantsika ilay andinin-tsoratra omaly, izay mifarana amin’ny hoe « Ambarao Aminy ny zavatra rehetra amin’ny fiainanareo, ary ny Fiadanan’Andriamanitra mahagaga, izay mihoatra ny fahalalana rehetra, hanome anareo ny valiny tadiavinareo ao amin’i Jesosy Kristy » (Filipiana 4 :6-7).
Waouh ! Te hamintina izay rehetra nianarantsika nandritra ity herinandro ity aho, mba hahatakarantsika misimisy kokoa sy handinihantsika ity fanalahidy farany ity.

  • Aza avela hisintona anao midina ny fanahiana.
  • Manomboha mivavaka amin’ny fomba mahery vaika.
  • Manaova vavaka feno finoana amin’Andriamanitra, sady mankasitraka Azy sahady noho izay hataony.
  • Lazao Azy avokoa izay rehetra ao am-ponao…


Fanapahan-kevitra natao horaisintsika avokoa ireo rehefa mikasa ny hanafika antsika ny tahotra sy ny ahiahy…Ahoana àry ny fomba hamalian’Andriamanitra antsika rehefa manaraka ireo dingana ireo isika ?
Mety hamaly antsika eo no ho eo Andriamanitra ka miravona avy hatrany ilay olana, ary fotoana iray ahafahana misaotra sy manome Voninahitra Azy tsy misy farany izany !
Na izany aza dia matetika Andriamanitra no maka fotoana elaela kokoa hiasana. Ary ny Asany dia fandrarahana fiadanana mahagaga, izay mitarika antsika hiandry amim-pifaliana ny Fidirany an-tsehatra.
Io fiadanana io dia toy ny tombo-kase izay manome antoka antsika fa hiasa amin’ny fotoany Izy ka tsy tokony hanahy na inona na inona isika satria efa vitan’ny Fanahy izany!
Ny dikan-teny hafa dia milaza fa io fiadanana io dia “hiaro ny fontsika sy ny hevitsika ao amin’I Jesosy Kristy” (Filipiana 4 :7). Fomba fijery sarobidy tokoa izany hoe : io fiadanana io no miaro ny saintsika sy ny fontsika ao amin’i Kristy !
Mitondra aingam-panahy be ho ahy ny dikan-teny ampiasaintsika amin’ity herinandro ity. Rehefa ao anatin’io toetry ny fiadanana sy fifandraisana amin’Andriamanitra io ny fonao no ahafahany mitaona anao amin’ny vahaolana masina ary manome anao ny valiny tadiavinao.
Eny ry namako, mamboraka ny Vahaolany aminao Andriamanitra rehefa feno ny Fiadanany mahagaga ao amin’i Jesosy ianao.
Iriako fa manomboka anio dia hiaina ao anatin’io fiadanan’Andriamanitra tonga lafatra sy mitohy io ianao, ary amin’ny alalan’ny zavatra rehetra hitantsika nandritra ity herinandro ity, dia hijoro tsara manoloana ny fanahiana rehetra, izay mety hiseho aminao.
Mitahiry anao anaty tonom-bavako sy ato am-poko aho.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!