đź•Š Fiadanana anie ho aminao !
Efa nahatsapa ve ianao hoe tena kely hery ? Misy tokoa, indraindray, toe-javatra eo amin’ny fiainana izay mampanjavona ny herintsika, ary tena toa ireny hoe tsy ahafahana manohy ireny intsony.
Hojerentsika anio, hoe, ahoana ny fihetsik’i Daniela rehefa tojo izany izy. Rehefa avy nandalo telo herinandro tena sarotra izy, dia nitady izay mety ho fanambarana ny fahitana sasany izay efa nomen’Andriamanitra azy.
Avy eo, taorian’ny fifadian-kanina amin’ny ampahiny nandritry ny 21 andro, dia nahita fahitana teo amoron’ny renirano izy, fa reraka loatra izy tamin’izay ka nidaraboka.
Ny Baiboly milaza noho ny avy eo hoe “Ary nisy indray nanana endrik’olona (hainao hoe iza izany e?) nanendry ahy koa.
Dia mitohy ny andalan-tsoratra Masina manao hoe : “ dia nampahery ahy ka nanao hoe: Aza matahotra, ry ilay malala indrindra; fiadanana anie ho anao, mahereza, eny, mahereza. Ary rehefa niteny tamiko izy, dia nihahery aho ka nanao hoe: Aoka hiteny ianao tompoko, satria efa nampahery ahy”. (Daniela 10 18:19).
Ry namako, te hanafy hery anao Jesosy. Manatona anao ao anatin’io fahalemenao io Izy ary miteny aminao hoe : “Ry ilay malala indrindra, aza matahotra; ny fiadanako ho aminao; Mahereza sy mahatanjaha”.
Saintsaino anie Andriamanitra miantso anao hoe “Ry malala indrindra” ? Eny, tiana ianao, mihoatra noho izay aza, tena tiana ianao ! Eo imasony, dia toy ny harena sarobidy ianao. Ho Azy dia tsy voavidim-bola ianao.
Daniela dia nahazo hery indray tao anatin’ny fotoana fohy, rehefa naheno ny feon’Ny Tompo. Nijoro ho vavolombelona izy ary nilaza hoe : “Ary rehefa niteny tamiko izy, dia nihahery aho…”. Izaho manokana dia efa niaina izany imbetsaka : tenin’Andriamanitra tokana ao am-ponao dia manana fahefana manova ny manodidina anao.
Anio, mivavaka aho mba ahafahanao maheno ilay feo sarobidin’Andriamanitra miteny sy manova ny fonao !
Miaraka aminao Jesosy anio, sy ho mandrakizay !