🔥 Tahaka ny ahoana Andriamanitra?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🔥 Tahaka ny ahoana Andriamanitra?

Efa mba nanontany tena ve ianao hoe tahaka ny ahoana Andriamanitra, manao ahoana ny endriny? Ao amin’ny Baiboly manontolo dia misy fotoana Andriamanitra maneho ny tenany sy ny heriny :

  • Niaraka tamin’i Mosesy Andriamanitra dia nilaza taminy fa avy ao andamosina ihany no hahitany Azy, satria tsy zakany ny hahita ny tarehiny. “Ary ny fijery ny voninahitr’i Jehovah teo an-tampon’ny tendrombohitra dia tahaka ny afo mandevona teo imason’ny Zanak’Isiraely.” (Eksodosy 24:17).
  • Ao amin’ny Apokalypsy, Jesosy dia nanambara ny tenany tamin’ny apostoly Jaona ary nilaza taminy fa “ary teo afovoan’ny fanaovan-jiro dia nisy Anankiray tahaka ny Zanak’olona niakanjo akanjo lava hatrany an-tongony sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin’ny tratrany. Ary ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon’ondry fotsy, dia tahaka ny orampanala, ary ny masony tahaka ny lelafo; ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano, hoatra ilay voadio teo amin’ny fandrendrehana iny; ary ny feony toy ny firohondrohon’ny rano be.” (Apokalypsy 1:13-15 ).

Andriamanitra dia maneho ny tenany amin’ny herin’ny afo, amin’ny fahadiovan’ny volamena, amin’ny fahamasinan’ny fitafiana fotsy, ary amin’ny feony, izay mampihovitra izao tontolo izao.
Kanefa, miaraka amin’izany, dia miseho ihany koa Izy amin’ny faharefoan’ny zaza vao teraka tao Betlehema, amin’ny fifandraisan’ny Mpampianatra amin’ny mpianany, amin’ny fahalemem-panahiny amin’ireo izay manatona Azy, ary tamin’ny sorona amin’ny hazo fijaliana.
Naneho ny tenany tamin’ny fomba samihafa Andriamanitra nandritra ny tantara, saingy tamin’ireo fanehoana rehetra ireo, dia nataony tamin’ny halalin’ny toetrany manokana sy tamim-pahamarinana izany. Izy ilay “Izaho” lehibe indrindra, ary mitoetra ao anatinao Izy.
Ry namako, enga anie hifototra Aminy mandrakariva ny maha-ianao anao fa tsy amin’izay lazain’ny hafa momba anao! Afaka hirehitra amin’ny afony ny fiainanao noho izany, hamirapiratra amin’ny fahazavany ary hotiaviny amin’ilay tena Fitiavany.
Aza adino mandrakariva fa : tsy dika mitovy ianao.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!