🔥 Noana an’Andriamanitra!
Noana ve ianao? Tsy haiko hoe amin’ny firy izao any aminao amin’ny fotoana hamakianao ity hafatra ity fa inoako marimarina fa mety ho noana ianao amin’izao fotoana izao.
Mety koa hoe ny minitra nanontany anao izay aho dia naneno ny vavoninao, nitaky sakafo.
Amin’ny maha-olombelona dia tena natoraly tokoa ny fitadiavana sakafo na rano fisotro.
Satria tokoa dia mamela ny vatantsika hampatsiahy ny ilainy izany filana roa izany. Raha tsy rarahintsika elaela izany dia mety hitarika fahafatesana mihitsy.
Torak’izany koa ny ara-panahy. Ny hanoanana an’Andriamanitra sy ny Fanjakany dia manosika avy ao anaty hikatsaka Azy.
Ny mpanao Salamo dia nilaza hoe : “Mangetaheta an’Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona; Rahoviana no ho tonga aho ka hiseho eo anatrehan’Andriamanitra?” (Salamo 42:2). Mahasondriana tokoa ny mahita ny mpanoratra ny Salamo manontany hoe : “rahoviana aho no ho eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra?”. Tsara izany fanontaniana izany. Inona ary no nandrasany?
Ry namako, aza avela ho noana ny fanahinao! Tsy misy tokony andrasanao. Anio, afaka mankeo amin’Andriamanitra ianao ary mamoky anao amin’ny Fanatrehany.
Hanome anao fanalahidy izay hanampy anao hitady an’Andriamanitra misimisy aho, miaraka amin’ny torohevitra izay hamaly ny hetahetanao ho eo amin’ny Fanatrehany. Vonona ve ianao?
Miandry anao Andriamanitra anio.