🔥 Misy afo miredareda ao anatinao!

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🔥 Misy afo miredareda ao anatinao!

Manantena aho fa mitondra fitahiana ho anao ity andian-tsoratra ity, ary ireo tenin’Andriamanitra tsirairay voalaza ireo koa dia hanampy anao hitombo amin’ny finoana eo amin’ny lafim-piainanao rehetra.

Ny andinin-teny fahaefatra hodinihantsika amin’ity herinandro ity dia ny hoe :“Aza mamono ny Fanahy.” (I Tesaloniana 5 : 19)

Ny Andriamanitsika dia afo mandevona (Hebreo 12 : 29). Ary ilay Fanahy Masina, izay iray ihany miaraka Aminy, dia mitoetra ao anatintsika tsirairay.

Tsy kisendrasendra ny hoe : tamin’ny andron’ny Pentekosta, nandray ny asan’ny Fanahy Masina ireo Kristiana, niditra tao anatin’izy ireo miendrika le lafo. Te handrehitra antsika amin’ny firehetam-po sy fitiavana an’Andriamanitra Izy!

Fa indraindray isika dia mamono izany afo izany, ary tsy tonga saina akory. Ny olana eo amin’ny fiainana, ny fahasondrinana, ny tahotra, ny rotoroto, ny andraikitra isan-karazany… ary toe-javatra maro no manakana antsika tsy hahafantatra izay tena manan-danja, ka mamono ny afom-panahintsika, raha tsy mitandrina isika.

Tao anatin’ireo Fifohazana malaza indrindra nisy teo amin’ny Tantara, rehefa nambabo olona an-tapitrisany sy nanao fahagagana isan-karazany ny Tompo, dia mbola nisy ihany ny fotoana nahafatesan’ilay afo tao afara.

Fa tsy izany no sitrapon’Andriamanitra. Niantso antsika Izy mba hiaina anaty Fifohazana maharitra amin’ny maha-fiangonana azy, handeha amin’ny Afony, ary hampitombo izany mandra-panovĂ ny ara-bakiteny ny tontolo manodidina antsika.

Ny tena marina dia tiako raha mba manova ny fomba fijery isika : raha azontsika atao ny mamono ny Fanahy, tokony vitantsika koa izany ny mandrehitra azy indray ? Eny, vitantsika izany ! ;D

Tsy manisy fetra amin’ny fiainanao ny Tompo : afaka manakaiky bebe kokoa Azy ianao arak’izay tianao, ka hahita ny Fitiavany mirehitra ao anatinao. Raha ny marina, arakaraky ny hanatonanao Azy no hanatonany anao koa ! (Jakoba 4 : 8).

Ry namako, areheto anio ny afon’ny Fanahy Masina amin’ny fiainanao !

Manasa anao aho mba hanokana minitra vitsivitsy hivavahana sy hanehoana Azy ny fanirianao lalina mba hiredaredan’ilay afo ao anatinao. Angataho ny Tompo mba hanoro anao izay azonao tanterahina, manomboka izao, mba hiainanao misimisy kokoa ny Fahavelomany ao anatinao.

Mamirapirata sy mireheta amin’ny alalan’ny afom-pitiavany,

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!