🔥 Afo ao anaty haizina!
Mahatsapa afo mirehitra ao am-ponao ve ianao? Ny afo koa dia fomba tsara hiadiana amin’ny haizina.
Ny iray amin’ireo zavatra tiako atao rehefa maka fotoana hivavahana maraina ao amin’ny efitranoko aho dia ny mipetraka eo alohan’ny solosainako, anatin’ny maizina, amin’ny maraina mangirandratsy iny.
Ao anatin’iny fahanginana sy ny haizin’ny vao maraina iny, dia mandefa mozika fiderana moramora aho, ary manomboka mamaky Baiboly, mivavaka, mianatra, misaintsaina, manoratra ny eritreritro ao amin’ny diary izay hiraketako ireo vavako… Ho ahy manokana, satria soratako eo amin’ny solosaina avokoa ny zava-drehetra, ampy ho ahy ny hazavana kely entin’ny solosaina.
Tena tiako ny mitady an’Andriamanitra amin’ny maraina vao mangirandratsy, raha mbola maizina iny.
Raha ny marina aza dia lasa fahazarako ny tsy mandrehitra jiro raha tsy tapitra ny fotoanako amin’ny Tompo ary vonona ny hanomboka ny asako aho. Tena tsara ny manomboka ny andro “Amin’ny firehetana”! Tongalafatra =)
Eny tokoa, amin’ireny fotoana ireny, ao anatin’ny haizina ny tenako, nefa ny fanahiko kosa dia mirehitra amin’ny Fanatrehan’Andriamanitra. Io fotoana hiarahako miaraka amin’Andriamanitra io dia mampirehitra ny afo ato am-poko, ary mamela ahy hijoro tsara manoloana ny endrika haizina rehetra, izay mitady hanafika ahy mandritra ny andro.
Mahafinaritra ahy ity andinin-teny ao amin’ny Baiboly ity hoe: “Ary amin’izany, raha mazava ny tenanao rehetra, ka tsy misy maizina, dia hazava avokoa izy rehetra, tahaka ny jiro raha mirehitra tsara ka manazava anao” (Lioka 11:36). Waouh!
Ry namako, aoka ho mavitrika ny fanahinao! Na dia tsapanao aza fa tsy misy afa-tsy haizina manodidina anao, ny fotoana laninao isan’andro miaraka amin’ny Tompo dia hahatonga ny afon’ny fitiavany hiredareda bebe kokoa eo amin’ny fiainanao. Fiainana maro no hotahiana amin’ny alalanao rehefa manao izany ianao ! Ary tsy hanan-tsafidy afa-tsy ny handositra ny haizina.
Manantena aho fa tsy hadinonao ny nitondra am-bavaka ny firenena, indrindra amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Aoka isika ho fahazavana hanohitra ny haizina izay te handrakotra ny fiainantsika, ny fianakaviantsika, ny firenentsika. Fitahiana eo amin’ny fiainako sy ho an’ny maro hafa ianao.