🔔 Efa vonona izany…
Ireo andininy farany amin’ny andalan-tsoratra masina dinihantsika amin’ity herinandro ity, dia famintinana tsara ny zavatra rehetra efa hitantsika niaraka. Ndeha hovakiantsika izany :
“Tsy hataoko hoe mpanompo intsony hianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony; fa efa ataoko hoe sakaiza hianareo, satria izay rehetra reko tamin’ny Raiko no nambarako taminareo.Tsy hianareo no nifidy Ahy, fa izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatrareo, mba homen’ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny anarako na inona na inona. Izany zavatra izany no andidiako anareo, mba hifankatiavanareo” (Jaona 15:15-17).
Ry namako, rehefa ianao mitoetra tsara ao amin’i Jesosy iny, ka miorina tsara amin’ny foto-boaloboka, no mahatratra fahafenoana tanteraka ny fiainanao. Izao avy no omanin’i Jesoa ho anao :
- Te hanana fifandraisana velona sy fisakaizana lalina aminao Izy.
- Tiany hamoa be ianao amin’izay rehetra alehanao.
- Tiany ho afaka handray izay rehetra angatahinao amin’ny Ray ianao, ary ho feno fifaliana.
- Tiany hiaina anatin’ny fitiavana ny hafa ianao, ary tiany hampamiratra anao ny Fitiavany n’aiza n’aiza misy anao.
Eny, izany no omaniny ho anao. Tsy mampientam-po ve izany ? Raha toa ka tsy toy izany mihitsy ny fiainanao dia fotoana izao hanombohanao manaraka ireo fanalahidy, izay nojerentsika nandritra iny herinandro iny. Makà fotoana misimisy kokoa miaraka amin’I Jesosy ! Te hanova ny fiainanao marina Izy ary te hanao zava-mahagaga amin’ny alalanao !