🔑 Tonga teo aminao Jesosy

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🔑 Tonga teo aminao Jesosy

Inona no tanjonao eo amin’ny fiainana ? Sarotra indraindray ny mamaly an’io fanontaniana io, satria  zavatra maro no mifamahofaho eo amin’ny fiainantsika. Saingy araka ny hevitrao, raha tsy maintsy mieritreritra an’io tanjona manan-danja io ianao, inona araky ny eritreritrao no kofehy mampifandray ny tanjona rehetra eo amin’ny fiainanao ?

Omaly isika nisaintsaina ny maha zava-dehibe ny fifantohana amin’ny tanjona . Ary nampiditra hevitra iray hafa mifandray amin’izany i Paoly, rehefa nanoratra hoe : “Tsy toy ny efa nahazo sahady aho, na efa tanteraka sahady; fa miezaka aho hihazona izay nihazonan’i Kristy Jesosy ahy.” (Filipiana 3:12)

Eritrereto kely izao : Nahavita nanatona anao i Jesosy. Tamin’ny fotoana iray teo amin’ny fiainanao dia nanohina ny fonao Izy, nanova anao ary nanome anao fiainana vaovao. Tsy hisalasalana fa nisy ny aloha sy aoriana teo amin’ny fisianao… ary vao fiandohana ihany izany. 

Ry namako, manana drafitra mahafinaritra ho an’ny fiainanao Andriamanitra. Eny, miantso anao Izy, ary lehibe tokoa izany fiantsoany izany ka ho maro tokoa ny zavatra ho vitanao. 

Ny drafitra nataony ho anao dia natao hanohina ny fon’ireo manodidina anao. Fitahiana lehibe ho an’ny maro izany. Fa ho an’izany dia tsy maintsy mandroso amim-pahavononana ianao. Te hiaraka amiko ve ianao ka hiara-hiroso ?

Fitahiana ho ahy ny fisianao eo amin’ny fiainako.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!