🔎Aodino ny fijery !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🔎Aodino ny fijery !

Anio, te hizara fanalahidy vitsivitsy aminao aho, izay tena hanampy anao ho afaka amin’ny fanadevozana.
Ny Baiboly miteny hoe : “Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy…” ( Hebreo 12:1-2). Misy lesona lehibe telo afaka sitonina amin’io andalana io :Manana vavolombelona maro dia maro isika manodidina antsika, olona nahavita nandresy ireny fatotra ireny, ary ankehitriny dia lasa ohatra ho antsika. Tsy irery ianao amin’io ady atrehinao io, ny hafa efa nandresy izany !
Ialao ireny fahotana ireny sy ireo fatotra mangeja anao. Mitaky fanapahan-kevitra marina avy aminao ny tsy hiverina ary hamela izany any aorianao any.
Mihazakazaha,mibanjina an’i Jesosy ! Izay no teboka manan-danja indrindra. Ny fanalahidy hihoarana izay manandevo rehetra anao, dia ny manodina ny eritreritrao amin’izay rehetra manintona anao, mba ho amin’i Jesosy, dia mandroso hatrany manohy ny dianao.
Rehefa misarika anao ny fakam-panahy ka mitady handavo anao, ny zavatra fadina voalohany indrindra dia ny miezaka miaritra an’io fakam-panahy io amin’ny herin’ny tenanao samirery. Raha mbola tsy afaka ao an-tsainao io fahotana io, dia efa resy sahady ianao.
Ny vahaolana dia tsotra kokoa: amin’ireny fotoanan’ny fakam-panahy ireny, aodino amin’ny fahotana ny fijerinao, manaova zavatra ho an’i Jesosy dia alefaso any Aminy ny eritreritrao. Afaka hoe mivavaka ianao, misaotra Azy amin’izay nataony teo amin’ny fiainanao, ary misaina ireo teny fampanantenan’Andriamanitra, sy amin’ireo zavatra tokony ho tanterahinao amin’io andro io … Fehiny, diovy amin’ny eritreritra maloto ny sainao, mba ahafahanao manolo izany amin’ny fisainan’Andriamanitra. Ho itanao ao anatin’ny minitra vitsy, fa hanjavona ilay fakam-panahy, ary hibata ny fandresena ianao ! =)
Ry namako, miaraka aminao Andriamanitra. Ary rehefa miaraka Aminy dia mandresy ny fahotana rehetra ianao.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!