🔊 Hiaka mankany an-danitra izany !
Efa nitaraina tamin’Andriamanitra ve ianao ?
Ny teny hoe « mitaraina » dia miseho hatrany ao amin’ny Baiboly. Amiko ny taraina dia mety ho feo mafy na feo malefaka izay miakatra mankany amin’Andriamanitra amin’ny fotoan-tsarotra.
Isaky ny miresaka momba ny fitarainana amin’Andriamanitra ny Baiboly dia vavaka lalina sy mafonja hatrany no hevi-dehibeny, izay miseho amin’ny vavaka atao amin’ny feo avo sy feno faharesen-dahatra, na amin’ny vavaka manokana anokafantsika tanteraka ny fontsika ho an’ny Tompo.
Na ahoana na ahoana dia manokatra varavarana ho an’ny Tompo izany karazana vavaka izany, mba hiasĂ ny amin-kery eo amin’ny fiainantsika. Hoy ny mpanao Salamo momba izany : « Tamin’ny andro nitarainako dia namaly ahy Hianao; Nomenao fahasahiana aho ka nisy hery ny fanahiko » (Salamo 138:3). Eny ry namako, rehefa mitaraina amin’Andriamanitra amin’ny fonao manontolo ianao, dia manomana ny fanahinao handray ny Valinteniny.
Handinika fanalahidy 7 isika, izay hanampy anao hiaina marimarina kokoa ny herin’ny fitarainana amin’Andriamanitra ho an’ny fiainanao, ary hanova tanteraka ny fotoam-bavakao. Vonona ve ianao ? Hivavaka isika : “Tompo o ! Misaotra Anao mandrakizay aho mamela anay hankeo anoloanao. Sokafy ny fonay mba halalaka eo amin’ny Fanatrehanao. Ray o ! ampianaro aho hitaraina Aminao avy ao am-poko lalina, ary hanao izany tsy tapaka mba hahitako ny Tananao mahagaga miasa amin-kery eo amin’ny fiainako. Misaotra amin’ny Fitiavanao sy izay rehetra ataonao eo amin’ny fiainako ! Amin’ny Anaran’I Jesosy, amen !”
Sarobidy eo Imasony ianao ry namako.