🔆 Miandry anao ny kijanan’ny lanitra!
Efa nanonofy ratsy ve ianao fony ianao mbola kely?
Ry namako, miaraka aminao ny Rainao any an-danitra, eo anilanao izy ankehitriny, ary tiany ny hanafaka anao amin’ny nofy ratsy rehetra izay hampahatahotra anao amin’ny fiainanao andavanandro, na alina na atoandro. Hoy ny Baiboly: “Dia hoy Izy: Ny Tavako no handeha, dia hanome anao fitsaharana Aho..” ( Eksodosy 33:14). Eny, ny Fanatrehan’Andriamanitra no manome fitsaharana ho anao! Na inona na inona mitranga, na inona na inona miseo, dia fantatrao fa tsy irery ianao, fa Andriamanitra Rainao dia momba anao amin’izay misy anao, ary afaka miala sasatra ao Aminy ianao.
Araka ny voalazan’ny Salamo 23, dia mampitsahatra anao amin’ny ahi-maintso Izy, eo amoron-drano fialantsasatra. Azonao sary an-tsaina ve ny zava-niseho? Afaka miditra amin’io toeram-pitsaharana io ianao isaky ny manatona Azy amin’ny vavaka. Tsy mahafinaritra ve izany? Esorin’Andriamanitra aminao ny nofy ratsy ary apetrany ao amin’ny sahan’ny Fanatrehany ianao.
Andeha isika hivavaka hoe: “Tompo Ă´, misaotra Anao aho noho ny maha Raiko anao ary miaraka amiko mandrakariva rehefa mila Anao aho. Misaotra Anao fa miandry ahy isan’andro ny kijananao any an-danitra, mamela ahy hiala amin’ny fanahiako mba hialokaloka eo anatrehanao. Amin’ny foko rehetra no ametrahako ny fitokiako Aminao, Andriamanitro Ă´. Ampio aho hitoetra ao amin’ny fitsaharanao mandrakariva, ary hamirapiratra amin’ny fahazavanao amin’izay alehako. Amin’ny anaran’i Jesosy. Amena!”
Anio, aza adino ny manatona hitsidika ny toeram-pialan-tsasatra, ry namana.