đź“Ľ Manana VHS ve ianao ?
Tadidinao ve ireny famakiana horonan-tsary VHS ireny ? Tadidiko nisy kasety maro nivangongo tao antrano, dia rehefa aroso na ahemotra aingana dia tadidiko ihany koa nisy ireny tsipitsipika niseho ireny eo amin’ilay sary… =)
Tamin’ny mbola kely aho, dia nisy nanome famakiana VHS izahay. Tamin’izany fotoana izany tsy mora ny nametaka izany, ny fianakaviko rahateo tsy dia naharaka tekinolojia loatra. Tsy hainay moa ny tena antony fa dia lasa nieritreritra izahay hoe tsy nety tamin’ny vata fahitalavitray ilay famakiana VHS. Tamin’izany fotoana izany koa tsy mbola afaka nijery fomba fampiasa azy tamin’ny aterineto no sady tsy nahafantatra olona mety afaka nanoro hevitra, any ka tsy nampiasainay akory ilay izy. Nandeha ny taona, tapakevitra ny hanadihady lalina momba ilay izy izahay, ka dia nahavita nampandeha ilay izy ihany noho ny farany ! Sady faly izahay no tezitra ! Nandritr’izay fotoana izay tokony afaka nanararaotra nampiasa ireo kasetinay izahay, fa noho ny fehin-kevitra diso dia tsy afaka nisitraka izany fitahiana izany.
Ry namako, aza atao tojo anao ny toe-javatra toy izany : aza avela hisy fehin-kevitra diso hametra ny fahafahana izay efa nomanin’i Kristy ho anao. Mety mihevitra ianao hoe tsy ho afaka mihitsy amin’izay manandevo anao eo amin’ny fiainana na amin’ny fahotana sasany, kanefa tiko ambara aminao fa diso izany ! Ny baiboly milaza fa : manana alalana amin’ny « ho amin’ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra » (Romana 8:21). Eny, misy fahafahana am-boninahitra miandry anao !
Izany fahafahana am-boninahitra izany dia efa azonao sitrahina ankehitriny : aza avela handany andro anao intsony ny fahavalo. Raha fantatrao ny rohy sy fahotana eo amin’ny fiainanao, afaho ny tenanao amin’ity herinandro ity. Mandritry ny andro manaraka eo dia hanome torohevitra tena mahomby, hanampy anao handeha amin’izany fahafahana izany aho. Aza miala !