📢 Renao ve Andriamanitra miantso anao?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 📢 Renao ve Andriamanitra miantso anao?

Anio isika hanohy hatrany amin’ny famafakafana ny tantara mahavariana momba ny fiainan’i Jesosy. Hoy ny tohiny ny andian-teny manao hoe: “Ary Petera namaly Azy ka nanao hoe: Tompoko, raha Hianao ihany, dia asaovy manatona Anao eny ambonin’ny rano aho. Ary hoy Izy: Manatona. Dia nidina niala tamin’ny sambokely Petera ka nandeha tambonin’ny rano hanatona an’i Jesosy” (Matio 14:28-29)

Toy ny mahazatra dia vonona hiatrika ny toe-javatra mihoatra lavitra noho ny mpianatra hafa i Petera. Izy ireo dia tsy nino zato isan-jato hoe Jesosy marina io, ka noho izany dia nozahan’i Petera ilay olona hitany mandeha ambonin’ny rano. 

Jereo ny fomba nitenenany azy: “Raha Ianao marina io, dia asaovy manatona Anao eny ambonin’ ny rano aho…” Raha ny marina dia toy ny milaza Taminy izy hoe: “Raha Ianao marina io dia omeo ahy ankehitriny ny hery sy ny fahasahiana handeha ambonin’ny rano, toy izao ataonao izao”

Fahagagana ihany no mahatanteraka izany. Ary rehefa niteny taminy Jesosy hoe: “Avia”, dia izay tokoa no nitranga. Na teo aza ny tahotra sy ny tsy fahatakarana ny zava-nitranga, ny tao am-pon’i Petera dia efa nahafantatra fa Jesosy io olona mandeha ambony rano io, ary amin’ny alalan’ny Teniny dia afaka mandeha eo ambonin’ny rano miaraka Aminy ihany koa izy. 

Tsy mila fanazavana fanampiny intsony. Nanatona ny sisin’ny sambo tamin’ny fahasahiana i Petera ary nametraka ny tongony iray teo ambonin’ny rano. Azonao an-tsaina ve ny fahatsapany rehefa hitany fa tsy nilentika tanaty rano izy? Indrindra rehefa nanomboka nandeha ambonin’ny rano?

Tanteraka izany fahagagana izany satria na dia teo afovoan’ny tafiodrivotra aza izy ireo, dia afaka niresaka tamin’i Jesosy i Petera, nihaino ny Feony ary nandeha am-pinoana. Tsy mora tamin’i Petera ny nivoaka ny sambo: vokatry ny fifandraisany akaiky tamin’i Jesosy sy ny finoana noraisiny tao am-pony no nahavitany nanao ilay dingana nasaina nataony.

Ry namako, hoy koa ny Tompo aminao hoe: ‘Avia” Ny fanatonanao Azy no fanalahidin’ny fandresena tanteraka, ary raha afaka mihaino ny Feony ao anatin’ny tafiotra ianao sy mandeha arak’izay zavatra lazainy aminao. dia azo antoka fa afaka mandeha ambonin’ny rano tsy misy tahotra ianao! 

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!