đź“ťFotoana hamerenana ny fanoratana ny tantara izao

PEJY FANDRAISANA | Miracles | đź“ťFotoana hamerenana ny fanoratana ny tantara izao

Inona no teny mamaritra ny fiainanao amin’ny ankapobeny hatreto ?
Andeha ho lalinintsika ny lalam-piainan’i Daniela :

  • Hatramin’ny fahazazany, dia efa isan’ireo olon-kendrin’i mpanjaka Nebokadnezara izy, ary vetivety dia tonga olona nanana fahefana indrindra tamin’ireo olon-kendrin’ny fanjakana.
  • Tamin’ny nahafatesan’i Nebokadnezara, dia lasa tanan-kavanan’i Balitazara zanany i Daniela.
  • Rehefa babon’i Persa i Babilona, dia mbola nijanona ho olona mahatokin’ny mpanjaka Kyrosy i Daniela, sy i Dariosa, ilay mpanjaka noresahintsika omaly.

Nijanona ho olona azo atokisana i Daniela teo amin’ireo manam-pahefana, eny fa na dia niova ho fanjakana vaovao aza ny fanjakana Persa. Ahoana hoy ianao no mahatonga izany ? Araka izay lazain’ny Baiboly, “Ary izany Daniela izany dia nambinina tamin’ny nanjakan’i Dariosa sy tamin’ny nanjakan’i Kyrosy Persiana” (Daniela 6:28).
Teo amin’ny toko voalohany no niatomboka ny zavatra rehetra, rehefa voalaza fa i Daniela dia nanapa-kevitra mialoha tao am-pony, fa tsy handoto tena.
Nisafidy ny ho mahatoky tamin’ny zavatra kely nananany izy, eny fa na dia manao vy very ny ainy aza izy amin’izany, mba tsy hampalahelo an’Andriamanitra. Valian’Andriamanitra fitahiana foana ny firehetana..
Ny Baiboly milaza fa “Ary izay mahatoky amin’ny kely indrindra dia mahatoky koa amin’ny be” (Lioka 16:10).
Ry namako, mety heverinao hoe tsy tafita ianao hatramin’izay ela izay…. Fa anio, afaka avelanao any aorianao any ny lasa mba ahafahanao manomboka manoratra tantara vaovao indray.
Eny, anio no andro izay ahafahanao misafidy ho mahatoky amin’ny zavatra kely, eo amin’ny lafiny izay tena mametraka olana aminao. Miaraka aminao Andriamanitra, ary te handrotsaka ny fitahiany eo amin’ny lafim-piainanao rehetra Izy.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!