đź“ť Ho tanteraka ny vina !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | đź“ť Ho tanteraka ny vina !

Efa renao ve ilay fitenenana iray hoe ho an’ny Tompo, ny andro iray dia tahaky ny arivo taona ary ny arivo taona dia tahaky ny andro iray ? Ao anaty Baiboly izany (II Petera 3:8) ary izay andininy izay dia maneho taratry ny zava-misy iray manan-danja izay tsara hotadidina.

Tsy tahaka ny androntsika ny andron’Andriamanitra. Rehefa mitady Azy isika, dia asehony amintsika tsikelikely ny planiny ho an’ny fiainantsika, ary indraindray dia manome endrika famantarana mazava amintsika Izy ny amin’izay tiany hataontsika. Matetika nefa dia tsy ampahafantariny antsika ny fotoana hitrangan’izany, na koa ny fomba fiasa hanatrarana ny tanjona.

Nandritry ny androm-piainako, imbetsaka izay no nahatsapako izany fahamarinana izany. Fantatro fa hiditra an-tsehatra Andriamanitra ary hanao zava-tsarobidy ho an’ny fiainanay, saingy mazĂ na dia toa tsy tamin’ny fotoana nieritreretiko mihitsy, na koa tamin’ny fomba izay noheveriko hataony akory.

Na izany na tsy izany, rehefa dinihana tokoa, azoko ambara aminao fa tamin’ny fotoana mety indrindra no nanaovan’Andriamanitra ny zavatra rehetra. Na dia tamin’izay nieritreritra aho hoe somary naka fotoana kely Izy, rehefa tanteraka ihany ny fampanantenana, tsapako fa ny fotoanany sy ny fomba hanatanterahany izany dia tsara lavitra noho izay rehetra nosainiko tamim-boalohany.

Ny Baiboly milaza hoe : “Fa ny fahitana dia mbola ho amin’ny fotoan’andro, Ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso; Eny, na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany, Fa ho avy tokoa izy ka tsy hijanona.” (Habakoka 2:3)

Ry namako, miasa amin’ny fomba lafatra indrindra eo amin’ny fiainanao Andriamanitra. Fantany avokoa ny fotoana mety sy ny lalana mahomby tsy maintsy hodiavinao mba ho vonona ianao hanatsara ilay vina izay napetrany tao am-ponao. Aza kivy, tohizo hatrany ny dia miaraka Aminy !

Efa manakaiky tsikelikely ny tanjona ianao …

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!