đ Rehefa mamaky ny Baiboly aminao AndriamanitraâŠ
Hotantaraiko anao ny nanjo ahy taona maro lasa izay : nisy zavatra nanamarika ahy mafy.
Andro aminâny 3 maraina taminâizay, vao taitra aho rehefa avy nanonofy ratsy maro nisesy⊠mbola tohina mafy aho izanyâŠ
Feno hevitra ratsy ny saiko, natahotra mafy aho, nisy zavatra nanindry ahy mafy tao anatiko ka tsy tafahetsika tao am-pandriana aho, na manokatra maso aza tsy vitako.
Taminâizany fotoana izany dia vao avy nandray anâi Jesosy aho, ary mbola tsy nanana ny fahendrena sy fahamatorana ilaina mba handresena ny asanâny aizina aho.
Tao anatinâizany trangan-javatra izany, dia nisy teny vitsivitsy tonga tao an-tsaiko : âHarovanao aminâny fiadanana tanteraka izay rehetra mibanjina Anao, satria matoky Anao izy.â
Henoko ato anatiko hoe andalan-teny ao anaty Baiboly izany, fa mbola tsy henoko mihitsy hatrizay (na mety tsy tadidiko).
Naveriko imbetsaka ireo teny ireo, naveriko foana mandrapahatonga anâilay fahamarinana tafatoetra lalina tao am-poko. Nifototra taminâny hoe : âMila mihevitra anâAndriamanitra aho, mila mijanona ao Aminy ny eritreritro !â
Dia izay tokoa no nataoko : nifantoka taminâAndriamanitra aho ary tadidiko ho azy ireo rehetra efa nataony teo aminâny fiainako nandritra ny volana maromaro.
Niala tsikelikely ny haizina sy ny fahavesarana rehetra, ary namela ny fiadanana nameno ny foko indray. Fotoana vitsy avy eo, vonona ny hatory am-pilaminana indray aho mandra-maraina.
Nony tonga ny maraina, niezaka namantatra aho raha tao anaty baiboly marina ireo teny ireo na tsia. Rehefa nikaroka minitra vitsy teo aminâilay rindrambaiko biblika efa taloha be izay nananako taminâizany aho, dia hitako tao aminâny Isaia 26.3 .
Tsy nampoiziko mihitsy : tena andalan-teny tao anaty Baiboly ilay izy ! Namaky andinin-tsoratra masina tao anaty Baiboly ho ahy Andriamanitra omaly alina ! Waouh ! đđđ»
Ry namako, ataovy izay ifantohanâny fisainanao ao aminâAndriamanitra ! Rehefa mijery ny aizina izay manodidina antsika isika, dia mora matahotra sy mitebiteby⊠fa tsy misy na dia iray aza aminâireo fisainana ireo afaka hihazona antsika rehefa misafidy ny hibanjina anâi Jesosy isika !