đź“Ś Foana ve ny rindrinao ?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | đź“Ś Foana ve ny rindrinao ?

Oviana ianao no nanao fanamby farany ? Ohatra amin’izany, ny mba hanena tena, hanangom-bola, hianatra fiteny vahiny….

Sarotra amin’ny ankapobeny ny fanamby satria, araka ny famaritan’ilay teny, dia “manosika” antsika hiala amin’ny faritra ahazoantsika aina izany, ka mahatonga antsika hanao izay tsy tiantsika hatao. Fantatrao ve hoe inona no fanalahidy hijanonana amin’ilay lalana tena izy ? Eritrereto ilay tanjona, ny tanjona farany napetrakao ho anao.

Andro vitsy lasa izay, nihaino horonam-peo fohy aho izay milaza fa ny paikady tsara dia ny fametahana  taratasy eny amin’ny rindrina, amin’ny toerana mora hita, miaraka amin’ny sary na andian-teny fototra. Mba hampahatsiahy anao ny antony anaovanao ilay fanamby, ary inona no valisoa miandry anao raha mahomby ianao. Noho izany, isaky ny mahita ireo ianao, dia hanosika anao hanohy izany.

Andeha hojerentsika ilay nolazain’ny apostoly Paoly manao hoe : “Ry rahalahy, tsy mbola ataoko fa efa nahazo ny tenako; fa zavatra iray loha no ataoko; manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy.” (Filipiana 3:13-14). Nahavita nihazakazaka i Paoly, fa ny nahafahany nandroso, dia ny fifantohana  tamin’ny tanjona, tamin’ny loka izay efa nomanin’Andriamanitra ho azy. 

Nahafantatra tsara an’Andriamanitra i Paoly, ary fantany fa be voninahitra sy tsy hay hazavaina tsotra izao ny lanitra (2 Korintiana 12:3-4). Fantany izay miandry azy any an-danitra, ary ny tsara indrindra, dia ny nahafahany nanomboka nahatsapa izany dieny mbola teto an-tany. 

Ry namako, ny Lanitra no ataovy soliky ny fiainanao ! 

Hojerentsika ireo fomba hanatrarana izany tanjona be voninahitra izany. Avelako handinika ity fanontaniana ity ianao : ahoana raha ataonao ho tanjona ao an-tsainao mandrakariva  ny Lanitra, rehefa manao zavatra iray ianao ? Mamporisika anao aho hanandrana izany, satria resy lahatra aho fa hanova ny fomba fijerinao ny fiainana izany. 

Fitahiana avy amin’Andriamanitra ianao.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!