📃 Saintsaino ireto teny ireto…
Olon’iza ao amin’ny Baiboly no mahafinaritra anao indrindra ? Izaho manokana, tsy haiko izay havaly satria maro loatra no tiako…. Nefa azoko lazaina ihany hoe i Josoa no iray amin’ireo mahafinaritra ahy indrindra.
I Josoa dia niaraka tamin’i Mosesy hatramin’ny voalohany, ary nanompo an’Andriamanitra foana tamin’ny fotoana rehetra izy. Teo foana izy nanohana an’i Mosesy, nitarika ny tafika amin’ny ady ary nampianatra ny finoana an’ny vahoaka… Raha ny marina dia voalaza ary fa tsy niala tao amin’ny tabernakely mihitsy i Josoa, izay fanehoana ny fanatrehan’Andriamanitra tamin’izany fotoana (Eksodosy 33 :11)
Fantatrao ve ny vokatr’ izany tsy fiovaovany tamin’ny fitadiavany an’Andriamanitra izany ? Nantsoin’Andriamanitra mivantana i Josoa mba hitarika ny vahoakan’ny Isiraely sy hitondra azy ireo ho any amin’ny Tany nampanantenaina. Iray amin’ireo didy voalohany nomen’Andriamanitra azy dia izao : « Aoka tsy hiala amin’ny vavanao ity bokin’ny lalà na ity, fa saintsaino andro aman’alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin’izany dia hahalavorary ny lalanao ianao sady hambinina » (Josoa 1 :8)
Waouh ! Efa nitondra vokatra tsara teo amin’ny fiainany ny tsy fivadihany tamin’Andriamanitra kanefa mbola betsaka lavitra noho izany no nomanin’Andriamanitra ho azy : nasain’Andriamanitra tsy hijanona amin’ny fandalinana sy ny fankatoavana ny Soratra Masina izy.
Toy izao ireo fampanantenana roa mifanaraka amin’izany :
- Ho ambinina ny lalany
- Hilamina tsara ny momba azy.
Fampanantenana mahatalanjona, sa tsy izany ? Te ho hambinina sy hilamina tsara ve ianao ? Teny telo : mamaky , misaintsaina , mankatoa. Ny fisaintsainana sy ny fankatoavana ny soratra masina dia mitondra fitahiana ho an’ny fiainanao isan’andro !
Ry namako, manaiky hiara-hivavaka amiko ve ianao ? « Tompo o, ampio izahay mba hiorina tsara amin’ny maha kristianina anay. Ampio izahay hifikitra hatrany amin’ny fisaintsainana ny Soratra Masina. Enga anie ny famakiana ny Baiboly, ny fisaintsainana ary ny fankatoavana izay novakianay mba tsy ho tapaka isan’andro eo amin’ny fiainanay Tompo ô. Amin’ny anaran’i Jesosy. Amen ! »