đź’° Mahantra sy manan-karena ianao !
Aminao, toy ny ahoana ny atao hoe « manan-karena » ? Mety hidika zavatra maro samihafa izany, miankina amin’ny fomba fijerinao…
Ho an’ny ankamaroan’ny olona, ny foto-kevitry ny harena dia voafetra amin’ny ara-materialy sy ny fananana vola. Tsy mifandray amin’ny resaka fahefana sy ny fananantsika foana anefa ny harena. Raha ny marina, ny zava-tsarobidy indrindra eo amin’ny fiainana dia tsy voavidy vola. Misy fomba fiteny izay any Espaina manao hoe : « Mahantra indrindra ny olona sasany ka tsy manana afa-tsy vola ihany ». Ary marina be izany !
Hoy ny fahasambarana voalohany : « Endrey ny harena be hanananao raha fantatrao ny fahantranao ara-panahy ! Satria tsy mandoa na inona na inona mba hidirana ao amin’ny Fanjakan’ny Lanitra » (Matio 5 :3)
Eny, ry namako, fantatrao fa rehefa miantehitra amin’Andriamanitra sy mitady Azy amin’ny fonao rehetra ianao, dia omeny fahafahana hahazo ny haren’ny tany sy ny haren’ny Fanjakan’ny lanitra ianao. Ireo harena ireo dia ahitana fahombiazana amin’ny sehatra maro, anisan’izany ny ara toe-karena. Tsy voafetra an’izany ihany anefa : harena ihany koa ny fiadanana,ny fitahiana, ny fahasoavana ary ireo zavatra marobe izay Andriamanitra irery ihany no afaka manome azy betsaka sy ireo harena natokana ho an’izay mahalala Azy ihany koa.
Io fanambarana voalohany nataon’i Jesosy io dia manana hery hanova tanteraka ny fiainanao.
Manaiky hiaraka hivavaka ve ianao izao ? « Tompo o, mila anao amin’ny foko manontolo aho. Te hiankina tanteraka Aminao isan’andro aho ary hiaina amin’izany toe-tsaina izany. Ny Fanahinao Masina anie hitari-dalana ahy amin’ny lalako rehetra. Misaotra Anao ny amin’ny zavatra rehetra nomaninao ho an’ny fiainako, ho an’ny ankohonako, ho an’ny namako, ho an’i Madagasikara tanindrazako, sy ho an’ny harena sy fahasoavana avy any Aminao ! Amin’ny anaran’i Jesosy. Amen !
Anio, ankafizo ny hareny eo amin’ny fiainanao.