đź’­ Mihoatra lavitra noho izay azonao eritreretina!

PEJY FANDRAISANA | Miracles | đź’­ Mihoatra lavitra noho izay azonao eritreretina!

Efa hamarana sahady ity andiany ity isika, izay mikasika ireo fanomezana mahafinaritra natolotr’Andriamanitra ho antsika, ary mbola hatolony foana mandrak’ankehitriny.

Faran’izay mahalala-tanana ny Andriamanitsika, ary tsy mba manam-pahataperana izany. Te hitahy anao mihoatra lavitra noho izay azonao eritreretina Izy.

Raha ny marina, ny Baiboly dia milaza hoe “Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka Aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?” (Romana 8:32

)

Mariho tsara ny fomba ilazan’ity teny ity: Izy no Ilay manome anao ny zavatra REHETRA… Tsy vitan’ny hoe efa nanome anao izay rehetra anananao Izy, fa mbola manana zava-tsarobidy maro hafa koa tiany hatolotra anao.

Matetika isika dia te hanao ny zava-drehetra amin’ny herin’ny tenantsika mba hahombiazana, nefa tsy tsapantsika fa tian’Andriamanitra homena antsika amin’ny fomba mora kokoa izany, raha toa ka ataontsika laharam-pahamehana eo amin’ny fiainantsika Izy.

Indraindray koa dia tsy manam-pahasahiana ny hanonofy zavatra goavana isika, satria mahatsiaro tena ho madinika na koa efa zatra manana toe-tsaina mahantra. Fa maniry ny hanome zava-tsoa ho antsika Andriamanitra, araka ny voalazan’ny andalana efa hitantsika andro vitsivitsy lasa izay hoe “Ary miravoravoa amin’i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin’ny fonao.” (Salamo 37:4)

Indraindray isika dia manana faniriana lalina, saingy adinointsika fotsiny izany ka miverina amin’ny “zava-misy”, amin’ny fiheverana fa nofinofy fotsiny izy ireo ka tsy mba mendrika antsika.  Fa raha tsy mba mendrika antsika ny famonjena nefa mbola namonjy antsika Andriamanitra, heverinao ve fa tsy te hanome anao ilay trano nofinofisanao Izy, na ilay fiara irinao?  Heverinao ve fa ho Azy dia sarotra kokoa ny manome anao ilay trano noho ny famonjena?

Saingy tsy ho azonao izany amin’ny toe-tsaina be fisalasalana, miampy ahiahy, raha toa ka be kajikajy amin’ny hoe firy taona ianao no tsy maintsy mitahiry amin’ny herin’ny tenanao mba hahazoana izany… na koa amin’izay toe-tsaina mitovitovy amin’izany.

Rehefa mifaly amin’Andriamanitra amin’ny fonao rehetra ianao, ary manapa-kevitra ny hino ny teny fikasany mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra, dia misokatra ho anao ny varavaran’ny fitahiany amin’ny fomba mahagaga.

Ry namako, Andriamanitra dia te hitahy anao mihoatra noho izay azonao eritreretina!  Nanapa-kevitra ny hino ny fampanantenany aho ary hanaraka Azy amin’ny foko manontolo, ary afaka niaina izany tsy tapaka teo amin’ny fiainako aho.  Mamporisika anao hanao toy izany koa aho anio!  Miandry anao mandrakariva ireo fanomezany sarobidy.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!