💬 Tsy misy olona hafa tsara kokoa iresahana…
Mitohy mandalina ireo andinin-tsoratra 7 fohy fa mahery vaika izay noresahantsika omaly isika. Ary anio dia hifantoka amin’ny faharoa amin’ny lisitro isika, izay mandrisika antsika manao hoe : “Mivavaha, ka aza mitsahatra” (1 Tesaloniana 5:17).
I Paoly apostoly, izay mpanoratra ny taratasy nakana ireo andinin-tsoratra ireo, dia manome antsika io baiko io toy ny nanomezany azy ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany tao amin’ny Fiangonana tany Tesalonia.
Jereo ny ambaran’io andinin-tsoratra io : tsy resaka manao vavaka vitsivitsy mandritra ny andro, fa ny fanalahidy, dia ny fitazonana fifandraisana tsy tapaka amin’Andriamanitra vao mifoha mandrapatory.
Ny ilaintsika ankehitriny dia mitovy amin’ny azy ireo 2000 taona lasa izay : mila mifandray amin’Andriamanitra isika.
Indro misy ohatra izay mety hanampy anao haka sary an-tsaina ny tiako holazaina : mila fifampiresahana tsy miato amin’Andriamanitra isika, toy ny vavaka izay manomboka amin’ny fifohazana ka mifarana amin’ny Amen ny hariva, rehefa eo am-pandriana isika, mialoha ny hatory =)
Ilay karazana fifandraisana lalina no tadiavin’Andriamanitra. Tiany isika hivavaka tsy mitsahatra, izany hoe hanana fifandraisana tsy miato Aminy.
- Rehefa manana fisalasalana momba ny zavatra tokony hataonao isan’andro ianao dia anontanio Azy avy hatrany.
- Rehefa misy olana mitranga dia aboraho eo amin’ny Fanatrehany ny fonao.
- Anontanio Azy hoe inona ny Sitrapony mandrapahatongan’ny hariva.
- Mivavaha ho an’ireo izay apetrany ao am-ponao.
- Saino hatrany ny Fanatrehany sy ny Fampanantenany ho an’ny fiainanao.
- Mivavaha ao an-dohanao sy ao an-tsainao ary manomeza Voninahitra Azy amin’ny fihainoana Hira Fiderana.Â
Ry namako, aza manaiky ankoatry ny miaina fifandraisana velona sy akaiky amin’Ilay tia anao indrindra eto amin’izao tontolo.
Izy no mampisy dikany ny fiainantsika, ary manampy antsika hijery ny zavatra rehetra amin’ny fomba fijery tsara.
Aza mitsahatra miresaka Aminy noho izany mandritra ny tontolo andro ! Tsy misy olona manan-danja kokoa afaka iresahanao =)