đź’¬ Omeo lanjany izy ireny!

PEJY FANDRAISANA | Miracles | đź’¬ Omeo lanjany izy ireny!

Efa nisy fotoana ve tanaty ny resaka nifanaovanao tamin’ny namanao dia nanomboka niresaka momba an’olona ianareo , ka lasa niafara tamin’ny fanakihanana, fanaratsiana sy fimonomononana ho azy ny resakareo ?

Izaho manokana dia miaiky fa efa imbetsaka no tratran’izany. Ary manontany tena foana aho hoe: Ahoana no nahatonga an’ilay resaka niafara amin’izany? Misy mekanisma maromaro miasa eto:

  • Filazana tsiambaratelo: tsy haiko ny momba anao, fa izaho manokana rehefa mahalala zavatra tsy fantatry ny olon-kafa ary mikasa hilaza izany amin’ny olona dia misy karazana adrenalinina miainga izany ao anatiko ao. Mahatsiaro ho any aminao daholo ny fifantohan’ny sain’ny olona, indrindra raha mahaliana ilay vaovao.
  • Tsindry anatin’ny vondrona: Rehefa mandray anjara resaka ao anaty vondron’olona isika ka mifanaiky ny rehetra hanaratsy olona iray noho ny resaka politika sns, dia lasa mahatsiaro fahaterena koa isika hanaraka izany , mba tsy hiavaka amin’ny rehetra
  • Ny fitiavantsika hahafantatra zavatra: Mahaliana loatra antsika ny hahafantatra izay manjo ny hafa indrindra ka zavatra tsy dia mahazatra.

Indraindray dia hamaivanintsika loatra ny resaka ataontsika, ka hadinontsika ny hery hananan’ny tenintsika, sy ny fahamatoran’Andriamanitra mandray izay rehetra lazaintsika. Izao tokoa no nambaran’i Jesosy: “Ary lazaiko aminareo fa hampamoahina ny olona amin’ny andro fitsarana noho ny amin’ny teny foana rehetra izay ataony..” ( Matio 12:36).

Ry namako, manana lanja lehibe ny teninao. Noho izany, omeo lanjany izy ireny! Enga anie ny teny rehetra izay aloaky ny vavanao mba ho feno fahazavana sy fitahiana, hampahery ny hafa , fa tsy hanakiana na hanimba sanatria. Ary raha mirona mitsikera sy manaratsy foana ny namanao, angamba fotoana izao hitenenana azy, na manova namana tanteraka =)

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!