đź’«Mitari-dalana anao Andriamanitra !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | đź’«Mitari-dalana anao Andriamanitra !

Efa nahatsapa ho tapi-dalan-kaleha ve ianao indraindray ? Amin’ny fotoana isika te hanatona an’Andriamanitra sy te hanao ny sitrapony dia mitarika antsika handray fanapahan-kevitra manala antsika amin’izay mahazatra antsika Izy. 

Rehefa niala tao Egypta ny Israelita dia nandroso andri-rahona teo anoloan’izy ireo Andriamanitra mba hanoro ny lalany. Io andry io ihany no notafian’ny afo nandritra ny alina ka nahafahan’izy ireo nandeha ihany koa ary niala lavitra kokoa hatrany an’I Egypta. Fotoana manan-danja io ! Ary Andriamanitra dia te hanome antoka fa niaraka tamin’izy ireo Izy. Araka ny lazain’ny Baiboly dia izany no nahatonga “ny andri-rahona tsy niala teo alohan’ny olona raha antoandro, na ny andri-afo nony alina”(Eksodosy 13:22).

Jereo ny lazain’ity andalan-tsoratra ity : Andriamanitra no nitari-dalana azy ireo fony izy niala tao Egypta. Midika izany fa Izy no nitantana Azy hatreo amin’ny Ranomasina Mena ! Eny, marina izany, nametraka azy ireo nanoloana toe-javatra toa tsy azo atrehina Izy, toy ny hoe tapi-dalan-kaleha. Saingy tsy niala tamin’izy ireo Izy na dia iray segondra aza. Efa nanana planina voatokana sy feno voninahitra ary fandresena Andriamanitra, izay horesahina mandritra ny taona maro mifandimby, dia ny Ranomasina Mena izay nisokatra ho famonjena ho an’ny Israelita teo an-tanan’ny Egyptiana izany.

Raha ny marina dia iray amin’ireo zavatra nanamarika ahy ny nataon’Andriamanitra rehefa nanenjika ny Israelita tao anaty Ranomasina Mena ny Egyptiana. Nesoriny ny kodiaran’ny fiara mifono vy ary niteraka fifanjevoana teo anivon’izy ireo Izy mba tsy hahatratrarany azy ireo intsony (Eksodosy 13:23-25). Alaivo sary an-tsaina Andriamanitra manala ny kodiarana ! =)

Ry namako, miady ho anao Andriamanitra ! Mety tsy azonao ny toe-javatra lalovanao amin’izao fotoana izao, saingy tsy ilainao akory ny mahazo izany fa mila matoky an’Andriamanitra fotsiny ianao ary mandroso. Manana planina feno voninahitra ho an’ny fiainanao Andriamanitra ! Ary tadidio fa : “Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina…” (Isaia 54:17).

Eo anilanao Andriamanita ary mikarakara anao amin’ny fotoana rehetra Izy.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!