💪🏻 Aza manaiky ho fefiky ny ahiahy
Anontaniana matetika aho hoe tena izaho mihitsy ve no manoratra ireo hafatra ireo isan’andro isan’andro. Hatreto dia valiako am-pitsikiana hoe : “Ie, ary tena am-pifaliana tokoa!”.
Tsotra ny valin-teniko. Ny hany olako dia ny hanoratra ny hevitra rehetra ato an-dohako an-taratasy!
Fa vao aingana izay dia nandalo fotoana tena maizina aho. Nahatsiaro voatsindry aho, nalahelo, tsy hoe nisy antony manokana anefa, ary nandritry ny herinandro maromaro. Tena tsy voafehiko. Inona no nitranga?
Indray maraina dia saika namotsitra aho : “Ary raha tsy misy ho zaraina intsony aho? Raha tsy manana hevitra intsony aho? Ary raha tsy afaka mankahery ny hafa aho…”?
Ry namako, hainao angamba izay fahatsapana tahaka ny zana-tsipika manindrona ny fanahy izay? Rehefa injay omena sehatra ireny, dia ny eritreritra toy izany dia mivoatra haingana sy tsy mahasalama !
Mandra-pahatonga ahy niteny ny tenako aho hoe: AOK’ZAY! Satria ry namako dia tadidio fa tsy voatery isika hino ireny eritreritra ireny (izay lainga rahateo)! Tsy manana zo hanjaka amin’ny fiainanao ireny! Fotoana hametrahana azy amin’ny toerany izao!
O ry namako, tena tiako ny Baiboly! Raha mba afaka ampiharina matetika moa ny ao rehefa feno ny an-dohantsika.
“Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho” (Salamo 56:4)
Raha mampandringa anao ny eritreritrao dia tohero amin’ny Baiboly!
Na izaho na ianao dia tsy tokony hanahy ny ampitso ry namako (Matio 6:34). Kanefa dia manokatra varavarana matetika amin’io tahotra io isika! Toy izany koa ve ianao? “ Mbola ho afaka mandoa ny faktiorako ve aho rampitso? Hifarana ve ity fifandraisako ity? Mbola hisy hitia ve aho indray andro any…?”
Ry namako, rehefa manenika anao ny fanahiana dia matokia an’Andriamanitra izay hihetsika!
Vonona ve ianao androany hanakana ny eritreritrao mba hanomezana toerana ny fahamarinan’Andriamanitra?
Koa avelao ny tahotra ahita ny habean’ny Andriamanitrao!