💪🏻 Anio dia afaka manomboka indray ianao
Tena miasa mafy eo alohan’ny solosainao ve ianao, ry namako?
Tamin’ny fotoana nahatsiarovako ho “feno tanteraka”, dia nahatsikaritra aho fa feno varavarankely maro be nisokatra teo amin’ny solosainako…. ny varavarankely tsirairay dia midika fa misy asa fanampiny tokony hatao.
Teo amin’ny lalana ho any amin’ny hotely (dia tsy maintsy namandrika efitrano aho ho an’ny hetsika manaraka), varavarankely maromaro handikana ny lahatsoratry ny fahagagana isan’andro, mailaka maromaro misokatra izay tsy maintsy novaliako maika, antontan-taratasy vitsivitsy nisokatra mba hanoratako ireo hira eo andalam-pamoronana, ary tsy adinoina ny toriteny tao amin’ny Youtube izay nahaliana ahy manokana, natahotra aho ny hanadino ny iray amin’ireo!
Mazava ho azy fa tena zava-dehibe tokoa ireo zavatra rehetra ireo. Mandra-paha-…maty ary niverina nandeha tampoka ny solosainako ary dia nanjavona avokoa ireo zavatra rehetra ireo! Ry namako, teo ihany dia azoko avy hatrany ny zava-nitranga. Nanome fahafahana aho ny hanokafana “varavarankely” be loatra. Eny, ry namako, ny tenantsika koa matetika dia mamela ny adin-tsaina hifehy antsika!
Efa matetika Andriamanitra no nananatra ahy tamin-katsaram-panahy hoe: “Be loatra…“ Ry namako, ny torohevitro ho anao:
Atsaharo ny manao zavatra amin’ny herinao mba hamela an’Andriamanitra hiasa!
Raha ny momba ahy, tena nety ny nataon’ilay solosaina nanakatona ireo ”varavarankely rehetra”. Anio aho dia afaka manomboka hatramin’ny voalohany indray. Tena nilaiko ny nanomboka indray. Satria tamin’izay fotoana izay aho no nanapa-kevitra – indray mandeha indray, eny tokoa – hangataka fahendrena amin’Andriamanitra alohan’ny hanombohana…
Ry namako, inona avy ireo varavarankely tokony hikatona mba hanombohana indray – miaraka Aminy.
“Ankino amin’i Jehovah ny lĂ lanao, Ary matokia Azy, fa hataony tanteraka !” (Salamo 37.5)
Andinin-tSoratra Masina mahafinaritra tokoa! Ndeha hinontsika izany ry namako ka hiainantsika!