💪🏻 Ampitomboy ny herim-ponao!
Manantena aho fa namporisika anao mba hanohy ny fanatanterahanao ny nofinofinao sy hino ny fahagagana izay ataon’Andriamanitra amin’ny fiainanao – sy ny an’ny hafa – ilay tantaran’i Gideona, amin’ny alalan’izay napetrany tao am-ponao ! Ho tanterahiny izany ! Tsy mila mihoatra noho izay efa anananao izao ianao, raha tsy izany dia lasa diso anjara amin’ny herin’Andriamanitra indray !
Satria tena zava-dehibe indrindra ny hahatsapanao fa, rehefa miaraka amin’Andriamanitra, ny kely dia betsaka, ry namako, ary te hiverina amin’izay resaka manan-danja izay aho anio.
Hoy Andriamanitra tamin’i Gideona : “Maro loatra ny vahoaka eo aminao, ka tsy hanolotra ny Midiana eo an-tanany Aho, fandrao hirehareha amiko ny Isiraely ka hanao hoe: Ny tanako ihany no namonjy ahy.” (Mpitsara 7 : 2)
Izany no nolazain’Andriamanitra tamin’i Gideona, ilay faran’izay kanosa ! Manasa anao aho hamaky ny toko faha 6 sy faha 7 ao amin’ny bokin’ny Mpitsara. Ho hitanao hoe impiry Andriamanitra no nampahery an’i Gideona, miverimberina foana ny hoe “Homba anao tokoa aho!” (Mpitsara 6 : 16)
Mieritreritra ve ianao ry namako, fa resy lahatra kokoa ianao raha toa ka naniraka anjely aminao Andriamanitra hilaza izany teny izany ? Kanefa i Gideona dia mbola niahiahy ihany… ary vao mainka nitombo ny fanahiany rehefa nanesoran’Andriamanitra ny miaramilany !!
Ary ianao mba ahoana, ry namako?
Mety hoe miandry hahita na hahazo fanohanana ho amin’ny tetikasanao ve ianao vao tena hiroso ? Mila fotoana bebe kokoa hifantohana manokana amin’ny nofinofinao ve ianao ? Mila maharay fitiavana avy amin’ny vadinao mialohan’ny hamalianao fitia azy ve ? Sa mila vola misimisy kokoa mba ahafahanao mizara?
Nety tamin’Andriamanitra ny nanaisotra izay tena nanan-danja indrindra tamin’i Gideona, fa ny zavatra tena nilainy nefa dia ny nampitombo finoana…
Te hananatra azy Andriamanitra fa ny hoe “Mila fandresen-dahatra misimisy aho mialohan’ny hirosoako” dia tsy hitondra azy alavitra velively. Nefa ny finoana “Ankehitriny, tsy manana afa-tsy Ianao aho Tompo” dia mahatonga azy ho tena mpandresy !
Rehefa mihena ny fandresen-dahatra, dia mitombo ny finoana !
Ianao koa ry namako, vonona ve ianao ny hanova ny fomba fisainana hoe “Mila misimisy aloha aho”, ary hamadika izany amin’ny hoe “Tsy mila afa-tsy Ianao aho Tompo”?
“Tsy mila misimisy aho – fa mila Anao aho Tompo”! Andao isika hivavaka am-pahatokiana, mba hilamina sy hiaina fahagagana !