đź’Ą Tsy izay lazain’ny hafa na eritreretiny momba anao ianao!
Anio dia hitohy anatin’ity andiany ity isika izay hirariako fa miha-tonga saina ianao amin’ny fandresena tanteraka efa nomanin’i Jesosy ho anao eo amin’ny lafim-piainanao rehetra.
Samy manana lasa maharary isika. Ary resy lahatra aho fa, toa ahy, dia tsy hoe nisedra tsy fahombiazana maro nandritry ny fiainanao ianao fa mbola mety niaritra ny teny maharary sy mandratra nataon’ny manodidina anao.
Matetika isika dia mandray kiana avy amin’ny hafa izay lasa tarazo miraikitra amin’ny fiainantsika ary manaraka antsika na aiza na aiza.
Ary lasa mino izay lazain’ny hafa momba antsika isika….ary mety tsy tonga saina isika fa lasa mihevitra fa vendrana isika, tsy misy tombambidy, mikorontana ny fiainantsika na tsy mba ho afaka ny hivoatra mihitsy isika….
Anio dia tiako raha hiova ny fomba fisainanao. Tiko ianao hitsahatra hino izay nolazain’ireo olona ireo sy ny fahavalonao ara-panahy nandritr’izay taona maro izay! Fa indrindra mba hanomboka hino ianao izay lazain’Andriamanitra momba anao.
Ny fahavalon’ny fanahinao dia niezaka handetika antsika tanaty lainga nandritry ny taona maro. Fa jereo ny lazain’ny Baiboly : “ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika.” (1 Jaona 5:4).
Eny, ny finoanao dia handresy izao tontolo izao! Io finoana io izay misafidy ny hanao tsinontsinona ireo laingan’ny aizina fa hiankina kosa amin’ny fampanantenan’Andriamanitra. Io finoana io izay mamela anao hanosika ny lainga tonga ao an-tsainao fa hisafidy kosa hino ny Fahamarinana momba anao.
Tsy maninona izay lazain’ny taza-maso na izay eritreretin’ny hafa na lazainy momba anao: ny hany ilaina dia izay lazain’Andriamanitra momba anao! Ary eo imasony dia sarobidy sy miavaka ianao. Manana tanjona mandrakizay ho amin’ny fiainanao Izy satria fantany ny anaranao!
MitsangĂ na am-pinoana anio ry namako ary ihoaro ireny lainga ireny!
Manainga anao aho haka minitra vitsy hieritreritra ireo fisainana ratsy, ny manahirana sy ny fetra nanananao momba ny tenanao nandritra ny taona maro.
Ataovy lisitra izany ery eo ankavia dia soraty izay fampanantenan’Andriamanitra na ny tenin’Andriamanitra momba anao. Rehefa izany dia manapaha hevitra hino izay lazain’Andriamanitra! Anio dia manomboha mandeha toy ny efa tanteraka eo amin’ny fiainanao ireo fampanantenana ireo! Hanova ny fiainanao izany finoana izany ary hanome fandresena goavana ho anao.