đź’ś Tsy hahafoy anao Aho!
Satria mahaliana ahy izany, anio aho dia manasa anao handinika ny fototry ny teny hoe “miatrika.” Ity teny ity dia midika ho fametrahana mpifaninana roa mifanatrika, miaraka amin’ny fihenjanana sy ny ady mety hiseho. Eo izy no mifampijery, mandrefy ny heriny, ary manapa-kevitra hiady mandra-pahazoan’ny iray fandresena, na koa samy miala mba tsy hisian’ny fifandonana.
Firifiry ireo zavatra tsy maintsy hatrehinao mandritra ity andro ity, ry namako? Mety misy olana ara-bola, aretina, fahalasan’ny olon-tiana, na fitsapana maro samihafa… ary ny tena ratsy dia raha toa ianao ka mahatsapa resy amin’ny ady atrehinao.
Jereo ny tenin’Andriamanitra tamin’i Josoa: “Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin’ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an’i Mosesy no hombako anao koa; tsy handao anao na hahafoy anao Aho..” (Josoa 1:5).
Ilay Andriamanitra iray izay nampisaraka ny Ranomasina Mena, Ilay nanao zava-mahatalanjona sy fahagagana tamin’ny fiainan’i Mosesy, dia milaza aminao anio, amin’ny alalan’ity andininy ity hoe: “Tahaka ny niarahako tamin’i Mosesy, dia miaraka aminao koa Aho. Tsy handao anao Aho, tsy hahafoy anao, ary tsy hohadinoiko ianao mandrakizay. Homba anao Aho amin’ny androm-piainanao rehetra. Aza matahotra izay miandry anao! Amin’ny Anarako, mpandresy ianao. ”
Ry namako, mitsangà na amin’ny finoana sy herim-po, fa ny Tompo dia miaraka aminao. Ambarao amin’ny fonao manontolo anio hoe : “Fantatro fa Ianao, Andriamanitra ô, dia momba ahy, ary amin’ny Anaranao no ahazoako fandresena. Misaotra Anao aho noho ireo efa nataonao sy ny mbola hataonao eo amin’ny fiainako! Amin’ny anaran’i Jesosy. Amen!”
Ao amin’i Jesosy, ianao dia mihoatra noho ny mpandresy.