💖 Fo toy ny an’Andriamanitra
Davida Mpanjaka dia isan’ireo olona malaza indrindra ao amin’ny Testamenta Taloha, ary iray amin’ireo nandalina ny fifandraisany tamin’Andriamanitra.
Na dia niaina nandritra ny fanekena taloha aza izy dia tena lalina aokizany ny fifandraisany tamin’Andriamanitra, hany ka nandray fampanantenana mahagaga avy Aminy izy ary nanoratra Salamo maro ao amin’ny Baiboly. Na Jesosy aza dia fantatra tamin’ny anarana hoe « Zanak’i Davida » ! Miresaka betsaka amin’ny alalan’ny asa sorany ny Tompo, izay faminaniana ny ankamaroany, indrindra ireo izay milaza ny fahatongavana sy ny ministeran’I Jesosy tety an-tany.
Ny azo antoka dia tsy tanteraka i Davida : nanao fahotana maro izy. Kanefa na teo anivon’ny fahotany aza dia nitady an’Andriamanitra hatrany izy, satria ny fony dia tena araka an’Andriamanitra. Araka ny lazain’ny Tompo ao amin’ny Baiboly manao hoe : “Izaho nahita an’i Davida, zanak’i Jese, lehilahy araka ny foko, izay hanao ny sitrapoko rehetra” (Asa 13:22).
Jereo ny lazain’Andriamanitra momba azy : izy dia olona nanana fo toy ny an’Andriamanitra. Raha ny marina, ny dikan-teny hafa dia milaza fa i Davida dia olona “nikatsaka” ny fon’Andriamanitra foana, nitady hatrany ny hanana fifandraisana am-po amin’Andriamanitra.
Ry namako, te hanana fifandraisana am-po aminao Andriamanitra ! Io fifandraisana lalina io no ho fototry ny fitahiana rehetra eo amin’ny fiainanao.
Maro ny zavatra azo ianarana avy amin’ny fiainan’I Davida, na tsara izany na ratsy… ary izany indrindra no tiako hojerentsika miaraka mandritra ny andro manaraka ho avy. Maniry hivavaka miaraka amiko ve ianao ?