💎 Firy “carat” ny sandanao ?
Efa naheno momba ny atao hoe volamena sy carat imbetsaka ianao, sa tsy izany?
Ny carat dia singa iray amin’ny fandrefesana izay manondro ny haavon’ny fahadiovan’ny firaka ary mizara ho ampahany miisa 24.
Ohatra, raha manana peratra volamena 12 carat ianao, midika izany fa vita tamin’ny firaka misy volamena mifangaro amin’ny metaly hafa ny peratrao, ary volamena ny antsasaky ny firaka. . Raha 18 carats ny peratrao, dia volamena ny 3/4 amin’ny firavakao. Ary raha 24 carats ny peratrao dia arahabaina! Manana peratra volamena madio ianao =)
Ny fahadiovana no manome lanja ny zavatra iray, indrindra fa ny fitaovana sarobidy. Tahaka izany koa, nohariana isika mba ho madio amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika, indrindra fa ny ao am-pontsika.
Hoy ny Baiboly: “Sambatra ny madio am-po, fa izy no hahita an’Andriamanitra.” (Matio 5:8). Irin’Andriamanitra ny hanadio ny fonao amin’ny firaka rehetra eto amin’izao tontolo izao. Ary ato amin’ity andininy ity isika dia mahita fampanantenana roa sosona ho an’ireo izay mitandrina ny fony ho madio:
- Hiaina ao amin’ny fitahian’Andriamanitra izy ireo.
- Andriamanitra dia hanome azy ireo ny fahazavana ara-panahy mba hahitany ny zava-drehetra amin’ny alalan’ny masony.
Ry namako, tian’Andriamanitra hanana fo 24 carat ianao! Amin’ny andro manaraka eo dia homeko anao ny fanalahidy izay hanampy anao hijanona ho madio, na hamerina ny fahadiovanao raha toa ka voaloto nandritra ny dianao niaraka tamin’Andriamanitra izany. Vonona ve ianao) ?
Ankafizo ity andro ity