💊 Fatra tsara amin’ny zava-misy marina !
Tonga amin’ny andro farany amin’ity andiany momba ny fahamarinan-toetra ity isika, ary tiako ny hamarana izany amin’ny firesahana ny herin’ny tenintsika.
Hitantsika tokoa tao anatin’ny andro vitsivitsy fa rehefa tsy mifanaraka amin’Andriamanitra ny toe – tsaintsika sy ny finoantsika, dia misy vokany eo amintsika ny fihatsarambelatsihy amin’ny hafa.
Marina indrindra izany momba ny zavatra lazaintsika. Mora ny manonona teny na andian-teny « tsara » sy manome fahatsapana ny hafa hoe mety ny zavatra rehetra kanefa dia mety ho ivelany fotsiny ihany izany.
Manerana ny Baiboly ary imbetsaka dia maneho ny alahelony Andriamanitra manoloana ny zavatra tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy ataon’ny zanak’Israely : « Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony; Fa ny fony kosa lavitra Ahy » (Matio 15 :8).
Tsy ilaina ny miloaka « teny kristiana » marina, ny miteny “Amen”, “Aleloia” na ny manao antso avo hoe anaty fandresena isika, raha tsy marina akory ny fiainantsika ao anatin’ny fontsika lalina ao.
Manalavitra kokoa antsika amin’ilay vahaolana fotsiny ihany ireny fihatsarambelatsihy ireny.
Fotoana izao andehanantsika eo amin’ny Fanatrehan’Andriamanitra, ka itenenana Aminy amin’ny fahatsoram-po sy amin’ny fanetren-tena ny fahatsapantsika sy izay ao am-pontsika.
Tsy misy fihatsarambelatsihy, tsy misy tahotra, tsy misy fehezanteny tsara lahatra … fa ianao manatona eo anatrehan’Andriamanitra, amin’ny fonao malalaka mba hilaza Aminy izay manavesatra anao, izay tsy mety ao aminao ary ny fitiavanao te hampifaly Azy amin’ny zavatra rehetra.
Io resaka marina sy tena avy amin’ny fo miaraka amin’Andriamanitra io no fiandohan’ny fiovanao. Io hatrany no dingana voalohany mankany amin’ny fananganana sy ny fisehoan’ny fampanantenan’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika.
Eny ry namako, meteza ho marina hatrany eo anatrehan’Andriamanitra !
Hitoetra ao am-pontsika mandrakariva anie ilay hiakan’ny mpanao salamo hoe “Aoka ny tenin’ny vavako sy ny fisainan’ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, Jehovah Ă´, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy” (Salamo 19:14).
Hampifaly an’Andriamanitra hatrany anie ny vavanao sy ny fonao ka hifanaraka amin’ny Sitrapony ary ho feno ny herin’ny Fanahy Masina.
Mitondra anao ao am-poko sy anatin’ny vavaka ataoko aho.