💁🏻♀️ Tia misehoseho ivelany ve ianao ?
Raha mieritreritra kely momba ny tenanao ianao dia mahatsapa ve ianao fa olona tia misehoseho ivelany ?
Ny fisehosehoana ivelany dia feno manodidina antsika. Hitantsika amin’ny horonantsary, ny dokambarotra na tambajotra sosialy fa haely eny rehetra eny ny foto-kevitra hoe : « Raha mividy an’ito ianao, raha manahaka an’ity olona ity ianao, raha miakanjo toy izao ianao… Raha fintinina dia raha manova ny endrika ivelany ianao dia ho sambatra. Indrindra amin’izao akatoky ny fifidianana izao dia mahita isika olona maro izay mampiasa vola ho an’ny fihetsiketsehana ivelany fa tsy amin’ny tena maha olona. Andriamanitra anie hanome antsika fahaiza-mandinika bebe kokoa.
Zava-dehibe ny bika aman’endrintsika, ary tokony hokarakaraintsika izany, fa tsy tokony ataontsika ho ivon’ny fiainantsika. Andriamanitra no Loharano ary ny singa hafa rehetra dia famenony avokoa : ny sasany amin’izy ireo dia tsara sy manan-danja, saingy fameno fotsiny ihany izany..
Ny zava-dehibe dia ny fahaizantsika mametraka ny laharam-pahamehana. Ny fahavalo dia miezaka hampiaina antsika fiainana mifantoka amin’ny zavatra ivelany fotsiny ihany. Fa hoy Jesosy : « Izay mino Ahy, dia hisy onin’ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan’ny Soratra Masina » (Jaona 7 :38)
Ry namako, Andriamanitra dia te hampiboiboika fiainana ao am-ponao ! Diniho fa tsy voasotra hoe « ety ivelany » fa « ao am-ponao ». Ny lanjan’ny fiainanao dia tsy miankina amin’izay anananao, fa amin’ny fifandraisanao akaiky amin’Andriamanitra.
Andriamanitra no loharano manome lanja ny zava-drehetra, ary Izy irery ihany no afaka manome ny tena lanja marina amin’ny zavatra rehetra ataonao sy izay rehetra anananao.
Anio, andramo ny Fanatrehany.