💁🏻‍♀️ Ahoana hoe ? Tantarao e !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 💁🏻‍♀️ Ahoana hoe ? Tantarao e !

Manan-daja lehibe mihoatr’izay eritreretintsika ny teny lazaintsika.

Efa nisy fotoana ve ianao nandray anjara tamina resadresaka, izay niafara tamin’ny fanomezanao tsiny olona iray , na koa hoe niomehy tamina zavatra tsy tsara…mba isehoanao hoe mahafinaritra eo imason’ny olona ? Izaho mieritreritra hoe efa samy nanao izany daholo angamba nisy fotoana.

Fihetsika mahazatra ary tena hita indrindra amin’ny zatovo izay, rehefa voataonan’ny vondrona iray, dia mirona manao zavatra tsy misy dikany mba tsy ho lazain’ny olona hoe “hafahafa”.

Ny ApĂ´stĂ´ly Paoly niteny tamin’i Timoty, tanora mpianany hoe : “ary aza miombona ota amin’ny sasany; tehirizo madio ny tenanao.” (1 Timoty 5:22).

Tena zava-dehibe ny mitandro ny fahadiovan’ny fo, ny tsy mandray anjara amin’ny fahotana izay ataon’ny hafa, indrindra fa mahakasika ny teny aloaky ny vavantsika.

Teboka iray tena mahaliana : ilay andininy milaza ny fanehoana ny “fahotan’ny hafa”. Eny, ny hafa dia afaka misarika antsika ary mitondra antsika ho roboka ao amin’ny fahotana izay ataony ! Ary tena marina izany amin’ny fomba firesaka ataontsika, satria dia tena mora ny miresaka zavatra tsy tokony idirantsika…
Izany indrindra no antony ampandalovantsika ireo eritreritra vao mitsiry amin’ny sivan’ny fahadiovana : ny zavatra ho lazaiko ve madio, tsara, mahafinaritra, sns? Mety hahamenatra ahy ve raha ampihainona ny olona izany ?

Ny Baiboly milaza : “Ataovy ny zavatra rehetra amin’ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana, mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia zanak’Andriamanitra tsy manana adidy eo amin’ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin’izao tontolo izao” (Filipiana 2:14-15). Izay no tian’Andriamanitra ho antsika :

  • Andao tsy hitsikera na koa hanaratsy ny hafa.
  • Andao ialana ny fifamaliana.
  • Andao hanana fitondrantena mendrika.
  • Andao hiaina amin’ny fahatsoram-po.

Izao vanim-potoana iainantsika eto Madagasikara izao dia mahasarika antsika haneho hevitra, hitsikera, hiomehy ny hafa satria tsy tonga lafatra eo imasontsika izy ireny. Matetika ihany koa isika dia manao ny tsy fanao mba ijanonantsika anaty vondrona iray… Tsia, tsy voatery ho toy izany ny zanak’Andriamanitra vao hamiratra.

Eny, ry namako, rehefa miteny ianao, ny fahadiovana no mampamiratra anao eto amin’ity tany ity !

Anio, mamiràta amin’ny alalan’ny heriny sy ny fahazavany.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!