👴🏻 Torohevitra avy amin’ny ray ara-panahy !
Tsy haiko aloha ianao, fa izaho isaky ny mandre momba an’i Timoty ao amin’ny Baiboly dia misy fihetseham-po manokana. Izy dia anisan’ireo olona ao amin’ny Soratra Masina izay mampitony sy manome fiadanana, noho ny fahatokisana sy ny fanompoany an’Andriamanitra.
Rehefa dinihina ilay fifandraisana mahafinaritra teo amin’i Paoly sy Timoty, dia hita miharihary ny fitiavana lalina nananan’i Paoly ho azy, toy ny fitiavan’ny ray ny zanany. Raha ny marina, nisy epistily roa nosoratany ho an’i Timoty ao amin’ny Testamenta Vaovao, ary ao amin’izy ireo dia manambara i Paoly fa i Timoty dia “tena zanako amin’ny finoana...” (1 Timoty 1:2 ).
Ary ianao, raha anio no andro farany ahavelomanao ary manana fotoana hamelana hafatra farany ho an’olona iray ianao, iza no hosafidinao? Tsy izay olona manan-danja indrindra eo amin’ny fiainanao, sa tsy izany?
Izany indrindra no nataon’i Paoly: ny taratasy farany nosoratany talohan’ny nanapahan-doha azy tao Roma, dia ilay taratasy faharoa nalefany ho an’i Timoty. Tsy isalasalana fa i Timoty dia tena tao am-pony tanteraka!
Ao anatin’ireo taratasy ireo, alohan’ny fotoana hodiany any amin’ny Tompo, dia hita mazava ireo torohevitra avy amin’ny traikefan’i Paoly, toy ny ray izay niezaka nitondra ny fahendreny ho an’i Timoty, ilay zanaka ara-panahy malalany sy mahatoky.
Ry namako, mahafinaritra ny manana ray ara-panahy afaka hianarana fiainana !
Ao anatin’ireo taratasy roa ho an’i Timoty dia misy harena sarobidy ho antsika koa. Ary amin’ireto andro ho avy ireto dia tiako ny hizara aminao ampahany amin’ireo teny nataony izay tena mampahery indrindra.
Mino aho fa nifantina tsara ireo torohevitra i Paoly mba hanampiana an’i Timoty hiaina ao anatin’ny fandresena sy ny herin’i Jesosy Kristy. Ary mino koa aho fa ho fitahiana lehibe ho an’ny fiainanao ireo torohevitra ireo! =)Ianao dia fahagagana !