👣 Mandehana amin’ny fahitam-pitian’Andriamanitra
Mitohy amin’ny fandalinana ny fiantraikan’ny fiangonana teo amin’izao tontolo izao isika tao aorian’ny nanosehan’ny Fanahy Masina izany.
Tao aorianan’ny nandraisan’ny olona 3 000 an’i Jesosy tamin’ny toriteny nataon’i Petera dia niha-nitombo be ny fiangonana. Tanatin’ny ora vitsy dia nitombo 3 000 ny olona an-jatony.
Kanefa tsy hoe fiovana resaka “fomba fivavahana” tsotra izany. Tsy hoe ireo olona 3 000 ireo dia handeha hiaraka hanao hetsika tambambe fa, tahaka ireo tena mpianatr’i Jesosy dia niaina fiovana azo tsapain-tanana sy lalina tao am-pony izy ireo.
Niova ny laharam-pahamehany ary lasa zava-drehetra ho azy ireo i Jesosy. Satria dia voalaza amin’ny andininy tsy lavitra eo fa ireo izay nanao ny dingana hanolotra ny fiainany ho an’i Jesosy dia : “dia niray saina isan’andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan’ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano ka nihinan-kanina tamin’ny fifaliana sy ny fahatsaram-po. nidera an’Andriamanitra sady nahita fitia tamin’ny vahoaka rehetra” (Asan’ny Apostoly 2:46-47).
Mariho izay lazain’ity andalana ity:
- Nankao amin’ny tempoly isan’andro izy ireo, nivory niaraka tamin’ny kristianina hafa tao aorian’ny asany na rehefa vita ny andraikiny isan’andro.
- Nifamangy tany an-tokantranony izy ireo, niara-nisakafo sy nandray ny Fanasan’ny Tompo.
- Nisy ny fifaliana niraisana ary tanatin’ny fahatsoram-po izany teo amin’izy ireo.
- Ary niteraka atmosferan’ny fiderana marina izany, tsotra ary iray imason’Andriamanitra.
Araky ny hitanao dia tsy nisy fitokotokoana, fisintahana, fieboeboana na ezaka hifehy ny hafa…Niaina tsotra ny fahateraham-baovao izy ireo, niova ny fony ary naniry mafy tao am-pony izy ireo hiaraka amin’ny rahalahy sy rahavavy, hidera an’Andriamanitra sy hianatra misimisy momba an’i Jesosy.
Io fanehoana tena izy ny finoany io dia nitondra fiantraikany teo amin’ny tananany. Ny marina dia nifarana amin’ny hoe nahita fitia tamin’ny olona ny andininy anio.
Ry namako, ny fo marina sy tsotra, izay mirehitra ho an’Andriamanitra sy ny olona dia mahita fahasoavana sy varavarana misokatra eo amin’ny hafa hatrany.
Vizaky ny fihatsaram-belatsihy, ny avonavona sy ny fanodikondinana manjaka eto amin’izao tontolo izao isika. Izay ny antony mahatonga ny fahatsorana sy ny fitiavan’ireo izay tena voakasik’Andriamanitra mitondra aim-baovao misarika ireo izay mbola tsy tafahoana Taminy.
Mampahery anao aho anio haka fotoana handinika ny fiainanao sy hijery hoe aiza no tokony hiverenanao indray amin’io fitiavana voalohany io ka hampirehitra ny afonao sy ny fahatsoranao ho an’Andriamanitra tam-boalohany.