đź‘Ł Efa niditra ny tany nampanantenaina ve ianao ?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | đź‘Ł Efa niditra ny tany nampanantenaina ve ianao ?

Inona ny sarimihetsika tianao indrindra ? Azoko antoka fa manana betsaka ianao…
Ho ahy manokana, iray amin’ireo sarimihetsika tiako indrindra ny “Braveheart”. Fony aho mbola kely dia efa in-10 mahery angamba no nahitako izany ary nohenoiko tsy ankiato ny feon-kirany.
Mitantara ny tantaran’i William Wallace izany sarimihetsika izany, ilay maherifo nanafaka ny fireneny tamin’ny famoretan’ny Anglisy, tamin’ny taonjato faha-15.
Na dia teo aza ny mety ho fahadisoana ara-tantara na ny hamafin’ny ady, dia nitondra aingam-panahy ho ahy tokoa ny herim-po sy finiavan’ilay maherifo, ary koa ny fony feno fitiavana nahay nitarika vahoaka iray manontolo ho amin’ny fahafahana. Izany no antony nanomezan’izy ireo ny lohatenin’ity sarimihetsika ity hoe : Braveheart na “fo mahery”.
Rehefa nomen’Andriamanitra an’i Josoa ny iraka hitarika ny vahoakan’ny Isiraely ho any amin’ny Tany nampanantenaina, dia hoy Izy taminy : « Mahereza sy mahatanjaha; fa hianao no hampandova ity firenena ity ny tany izay nianianako tamin’ny razany homena azy » (Josoa 1:6).
Mety hoe nila zavatra marobe i Josoa, saingy roa ihany no tena nilaina teo imason’Andriamanitra : ny ezaka sy ny herim-po.
Ry namako, ny herim-po dia mamela anao hiditra ao amin’ny tanin’ny fampanantenana izay efa nomanin’Andriamanitra ho an’ny fiainanao. Rehefa manao ezaka ianao dia manokatra varavarana maro izany herim-po izany, mba hiainanao ny asan’Andriamanitra amin’ny andavanandronao.
Mandritra ity herinandro ity, hizara fanalahidy 7 aminao aho, izay hanampy anao ho tonga mahery fo kokoa, ary hanao dingana mankany amin’ny anjara ho anao ao amin’Andriamanitra. Vonona ve ianao ?

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!