đź‘Ł Ahoana ny hanohizanao ny dia ?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | đź‘Ł Ahoana ny hanohizanao ny dia ?

Manana safidy ianao! Safidy manan-danja. Safidy hanova ny fiainanao.

Eny ary, handeha hanomboka amin’ny fomba tsotsotra: Safidy iray izay mety hanova ny fiainanao anio!

Eny tokoa, afaka manampy amin’ny fitondranao ny fiainanao ianao.

Isan’andro ianao dia manana safidy handeha amin’ny lalana manome voninahitra an’Andriamanitra, na tsia…

Atombohy amin’ny toe-tsainao eny an-dalana izany, rehefa mandeha miadana be ny mpamily eo alohanao, saingy maika ianao ary te hampaneno ny anjomara fiaranao amin’ny fomba tsy mendrika.

Rehefa eo an-databatra indray ianao miaraka amin’ny fianakavianao dia tezitra satria tsy tianao ny sakafo, na ihany koa vokatra tsy dia tsara no entin’ny ankizy ao an-trano, ka teny mandratra sy marary no hasetrinao izany kanefa tenim-pitiavana sy fanohanana no andrasan’izy ireo aminao.

Fantatro fa mila hery be izany rehetra izany. Saingy tsy aleo ve misafidy ny fitiavana toy izay mora entin’ny fihetseham-po izay mandrava zavatra maro?

Ianao sy ny hafa. Fantatrao fa mila andro maromaro ianao vao mahatafarina ny ratra naterak’izany, sy manala ny feon’ny fieritreretana ratsy izay manameloka anao. Mino aho fa efa niaina izany tokoa ianao, ry namako, sa tsy izany?

Mba hialana amin’ny fandaniam-potoana amin-javatra ratsy dia misafidiana ny fitiavana anio!

Ry namako, aleo misaina alohan’ny hanaovana zavatra , kanefa aleo manao zavatra na dia tsy mahomby aza toy izay tsy manao mihitsy. Noho izany dia mitandrema tsara mandritra ity tontolo andro ity. Andriamanitra anie hanome anao ny fahendrena sy ny hery ilainao amin’izany.

Aza misalasala mamaky ity salamo manaraka ity, dia ataovy am-po izany, mba hanombohana ity andro MAHAFINARITRA ity, izay ahafahanao manapa-kevitra handeha amin’ny lalana marina : “Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah Ă´; ampianaro ny sitrakao aho. Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro.” (Salamo 25:4-5).

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!