đź‘ź Mihazakazaha!
Efa nanao hazakazaka lavitra ezaka ve ianao? Raha izaho manokana dia naleoko nihazakazaka misy hafainganam-pandeha toy izay nihazakazaka lavitra ezaka.
Te hizara aminao ny fijoroana vavolombelon’ny namana iray izay nampianatra ahy zavatra maro be aho. Notantarainy fa nandritra ny taona maro dia nanana fomba fiaina tsy ara-pahasalamana izy. Tsy ampy ny torimasony, tao aorian’ny andro fifadian-kanina dia nilona tamin’ny sakafo tsy ara-pahasalamana indray, ary tsy nisotro rano izy, fa zava-pisotro misy gazy ihany.
Taorian’ny taona maromaro niainan’izany fomba fiaina izany sy niampy asa nandritra ny ora maro, dia narary izy, ka tsy afaka niala teo am-pandriana intsony nandritra ny herinandro maromaro.
Nanomboka teo eo izy dia nandalo dingan’ny fanavaozana, izay nitarika azy tsikelikely hikarakara ny tenany, ny fotoam-pialan-tsasatra, ny sakafo ary ny fanatanjahan-tena tsy tapaka. Atleta ankehitriny io namako io! Nanohy ny asany izy, saingy tamin’izany fotoana izany, dia nandeha bisikileta tsy tapaka an-jatony kilometatra izy, ary nanao hazakazaka lavitra ezaka maromaro, ary tena sarotra ny sasany … waouh!
Ny fanalahidin’ny fanovana lehibe teo amin’ny fiainany dia ny faharetana sy ny fahatapahan-kevitra. Isan’andro dia nanomboka nanova zavatra kely izy, nanao fanazaran-tena bebe kokoa, nandroso tsy tapaka, mandra-pahazoany tanjona lehibe.
Izany no ilaintsika. Andeha hojerentsika izay lazain’ny Baiboly: “Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao,” (Hebreo 12:1).
Ry namako, ny fiainana kristiana dia tsy hazakazaka misy hafangainam-pandeha, fa hazakazaka lavitra ezaka, ary ny faharetana no fanalahidin’ny fandrosoana. Esory izay rehetra manakana ny lalanao, banjino Jesosy ary mandrosoa hatrany!
Diniho anie izao: Inona avy ireo dingana kely amin’ny finoana azonao atomboka anio? Mino aho fa ireo dingana kely amin’ny finoana ireo dia hitarika anao hanao zavatra miavaka miaraka amin’Andriamanitra indray andro any!