đź‘ž Atsaharo ny fahotana
Anisan’ny fanalahidy izay tena mahery vaika hanoherana ny fakam-panahy ny fahatahorana an’Andriamanitra.
Fantatro fa maro ny olona no mieritreritra fa tsy manana finiavana, nefa tsy marina izany, hanome ohatra anao aho hanamarinana izany. Manana ota izay tsy mbola vitanao ny nandresy azy tanteraka ve ianao ? maka fotoana kely dia saino izany.
Alaivo sary an-tsaina anie : nilaza ny dokotera fa raha mbola manota ianao ny manaraka eo dia ho faty ianao. Antony ara-pahasalamana izany fa tsy hoe mety hitranga : rehefa nizaha anao ny dokotera dia nanamarina fa tena hitranga izany, satria simba tanteraka ny vatanao.
Raha vao tonga indray ary ilay fakam-panahy, hilefitra ve ianao nefa efa fantatrao fa ho faty eo noho eo ianao ? Azoko antoka fa ny fanirianao sy ny filĂ nao no tonga ao an-tsainao eo noho eo ary tsy hanao izany ianao. Raha tena mino ny dokoteranao ianao, raha tena mino ny fanazavany ihany koa, dia tsy hanao izany fahotana izany intsony, na dia manana faniriana aza, sa tsy izany ? Arahabaina ianao, nohamarininao fa manana finiavana ianao ! =)
Indraindray isika mieritreritra fa tsy misy fiantraikany eo noho eo ny fahotana, nefa izany no izy.
Raha ny marina, dia milaza ny Baiboly fa “Fa fahafatesana no tambin’ny ota…” (Romana 6.23). Mora voatarika sy manota isika rehefa tsy takatsika ny vokatry ny fahotana na rehefa toa tsy dia fahita firy loatra amintsika izany. Eny, malaelo isika rehefa lavo, satria tsy izany no nirintsika… Fa rehefa mampitaha ny fahafinaretana rehefa manota sy ny fanamelohan-tena isika, dia mety mbola hisafidy ny ho lavo ny nofontsika.
Izany indrindra no nahazo ahy. Fantatro tsara fa misy fiantraikany amin’ny fiainako ireo fahotana ireo. Tena tsy te hanolo-tena amin’izany aho, fa nanohy niaina tao anatin’io fefy io izay nampifangaro ny faniriako sy ny fanamelohana ahy… mandram-pahatonga ny andro izay nampisehoan’Andriamanitra ahy fa tsy afaka ny hanohy tahaka izany intsony aho. Tsapako fa aleoko manana fifandraisana lalina amin’Andriamanitra, hahery sy milamina anaty, toy izay hanana ireny fotoana ho amin’ny “fahafinaretana”, izay arahina fanamelohana, fiampangana sy tsy fahombiazana ireny. Ary indrindra, tonga saina aho fa tsy afaka ny hanohy hisangy intsony amin’Andriamanitra sy ny fahotana.
Izany fahatahorana tsara izany, ny hanafintohana an’Andriamanitra, dia nitarika ahy hanao tsipika tao amin’ny fasika hilazako hoe : “aoka izay ! tsy misy intsony !”. Nanapa-kevitra ny tsy hilefitra intsony aho avy eo. Tamin’izay no nahitako ny hery azo rehefa miala amin’ny fakam-panahy. Ary hatramin’izay aho, dia niaina fandresena mitohy tamin’ireo fahotana ireo, ary tsy mieritreritra ny hiverina any aoriana mihitsy !
Ry namako, atsaharo ny fahotana anio. Manapaha-hevitra amin’ny fonao rehetra ny tsy hisangy amin’Andriamanitra mikasika ny fahotana, ary mandraisa fanapahan-kevitra hentitra hiala amin’ny endrika fakam-panahy rehetra. Misy fiainana vaovao feno fandresena ao amin’Andriamanitra miandry anao !