👑Toerana eo akaikin’i Jesosy
Anio isika dia tonga amin’ny andro farany amin’ity andiany iray ity, izay mamporisika antsika handroso, tsy hiverin-dalana. Manantena aho fa Andriamanitra dia nanome tolon-tsaina ho anao tamin’ny alalan’ny hevitra maro, ary ho raketinao ao am-ponao izany!
Omaly isika dia nahita ny fiaretan’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana, ary nataony ho anao izany. Andeha hiverenantsika jerena ilay andian-tSoratra Masina hitantsika omaly, ka ho tohizantsika amin’ ilay andalany farany amin’ity Soratra Masina ity: “Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra Izy…..” (Hebreo 12:2).
Ny hafaliana entin’ny fahafantarana fa nanolon-tena, ho anao sy ho an’ny olona an-tapitrisany maro, no nanome an’i Jesosy hery hiaretana ny fangirifirina teo amin’ny hazo fijaliana, sy izay rehetra niseho teo amin’ny lafiny ara-panahy.
Tamin’izany fotoana izany, ny hazo fijaliana dia natokana ho an’ny mpanao heloka bevava sy ny mpangalatra, izany hoe ireo olona tena ratsy indrindra eo amin’ny fiaraha-monina. Ka teo imason’ny olona dia henatra sy ozona izany nohombona tamin’ny hazo fijaliana izany… fa Jesosy dia tsy nanahy ny fampitovina azy tamin’ireo olona ireo.
Niaritra ny fanesoana, ny fandrorana, ny vely, ny kapoka, ny fandratrana, ny totohondry, ny tsilo, ny fantsika, ny ady ary ny ratsy indrindra dia ny fahafatesana …ary ny nahatonga Azy niaritra izany dia noho ianao.
Nosotroin’i Jesosy ny kapoaka rehetra (Matio 26:39) ary novidiny lafo izany, satria fantany fa hanokatra ny vavahadin’ny lanitra ho antsika.
Tsy nampaninona Azy ny zavatra rehetra izay niaretany: tsy nampaninona Azy ny henatra sy ny fahafaham-baraka teo imason’ny olona rehetra fa nisafidy ny hiatrika izany rehetra izany Izy. Nifantoka tamin’ny famonjena antsika i Jesosy ka tsy nieritreritra ny momba ny fahamendrehany manokana Izy, na ny fisehoany ivelany!
Izany rehetra izany no nitondra Azy teo amin’ny fandresena lehibe indrindra tsy mbola nisy toy izany, sy nipetrahany teo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra. Tena mendrika izany toerana izany Izy, ary mendrika ho tompoina mandrakizay!
Ary noho ny famindram-pony dia miara-mipetraka Aminy amin’ny Fanahy any an-danitra isika ( Efesiana 2:6 ).
Noho izany, raha niaritra ny fijaliana Jesosy mba hamonjena antsika, moa ve isika vonona na manao ahoana na manao ahoana, ny hiaritra sy hizaka ny fanaratsian’ny hafa ho Azy?
Ry namako, izao no fotoana tokony handrosoantsika kokoa eo amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, sy amin’izay antsony tiany ho tanterahantsika. Tsy nisy nahasakana an’i Jesosy nanolotra ny rehetra teo amin’ny hazo fijaliana, ary tsy hisy hahasakana antsika tsy hanompo Azy ihany koa!