đź‘‘Fanjakana avy aiza no niavianao ?
Fantatrao ve ny fanoharana momba ilay mpanompo tsy miantra ?
Hitanao, io ilay fanoharana momba ny tompo iray namela ny trosaben’ny mpanompony iray. Avy eo rehefa anjaran’ity farany ny nanao toy izany tamin’ny iray amin’ireo namany, dia nolaviny tanteraka ny famelana trosa kely ary tonga hatramin’ny fampidirany am-ponja azy mihitsy aza izy. (azonao vakiana izany ao amin’ny Matio 18:23-25).
Indraindray isika dia manao toy izany koa. Isika dia nanana anjara tamina fanjakana izay misy Mpanjaka mijery antsika amin’ny fitiavana. Eny, maika hitsena antsika Izy, toy ilay ray ao amin’ny fanoharana momba ilay zanaka adala, na dia eo aza ireo hadisoantsika tamin’ny lasa.
Nandray “fanjakana tsy azo ampihorohoroina isika” (Hebreo 12:28). Mandrakizay izy io ary afaka misitraka ny hafaliana, ny fiadanana, ny famindram-po ary ireo fitahian’Andriamanitra, sns isika.
… kanefa na dia eo aza izany, na dia “nitondra antsika ho amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany” aza Izy ( Kolosiana 1:13), dia mbola manohy ny fitondran-tenan’ny fanjakan’ny maizina taloha, izay namonjena antsika ihany isika.
Ary indraindray isika dia mitsara, mitsikera mafy ny manodidina antsika ary miteny ratsy momba azy ireo, eny mandà mihitsy aza ny hamela azy ireo amin’ny zavatra nataony tamintsika.
Mahasahy mikolokolo fiampangana sy fanamelohana ao an-tsaintsika isika manoloana azy ireny nefa isika koa te ho afaka amin’ny fiampangana sy ny fanamelohana rehetra.
Ry namako, afaka mandray fanapahan-kevitra tsara ianao anio, dia ny manova ny fiampangana ho tsodrano. Raha voavelan’Andriamanitra heloka ianao dia tsy manan-jo himenomenona sy hiampanga ny hafa.
Mivavaka aho mba tsy hikoriana amin’ny alalanao intsony manomboka anio ny rano mangidin’ny fiampangana, fa ho onindrano velona miboiboika hitahy, hampitombo ary hankahery ireo manodidina anao. Hisy fiantraikany amin’ny fiainanao sy ny an’ny hafa izany fanapahan-kevitra izany !
Mankasitraka anao aho ary misaotra an’Andriamanitra noho ny fiainanao.