👑 Mpanjaka sy mpisoron’ny Mpanjakan’ny mpanjaka
Mihevi-tena ho mpanompon’Andriamanitra ve ianao ?
Ao amin’ny fiangonana, ny antsoina hoe « mpanompom’Andriamanitra » matetika dia ireo olona manana fandavan-tena miara-miasa amin’ny fiangonana, ary indrindra manangana tetik’asa sy mamita hatramin’ny farany ireo asa.
Raha ny marina, dia maro ny olona no milaza ireo pasitera sy mpisorona ho “mpanompon’Andriamanitra lehibe” mba hanomezana voninahitra ny asa fanompoana lehibe tanterahin’izy ireny.
Isan’ireo zavatra manan-danja indrindra eo amin’ny fiainantsika ny manompo an’Andriamanitra, ary ao anatin’ireo sarobidy indrindra izay azontsika tanterahina.
Saingy jereo ny lazain’i Jesosy amin’ireo mpianany : « Tsy hataoko hoe mpanompo intsony hianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony; fa efa ataoko hoe sakaiza hianareo, satria izay rehetra reko tamin’ny Raiko no nambarako taminareo.
Eny, manompo an’Andriamanitra isika. Saingy ho Azy, tsy mpanompo tsotra isika fa Zanany, Namany akaiky indrindra, ary mahafinaritra Azy ny mamboraka ny Fony amintsika.
Ankoatr’izay, nantsoina hanjaka miaraka Aminy ianao, satria araka ny lazain’ny Baiboly, dia nanao antsika ho «mpanjaka sy mpisorona ho an’Andriamanitra Jesosy, ary hanjaka amin’ny tany isika» (Apokalipsy 5 :10).
Waouh ! Saintsaino vetivety anie hoe tsapanao ao anatinao tokoa ve izany maha-mpanjaka anao izany ? Azonao sary an-tsaina ve hoe ho toy ny ahoana ianao rehefa any an-danitra ?
Ry namako, nantsoina hanjaka miaraka amin’i Jesosy ianao. Ary tsy rehefa any an-danitra ihany fa izao ankehitriny izao.
Nantsoina ianao hanitatra ny Fanjakan’Andriamanitra isan’andro, amin’ny alalan’ny finoanao, ny fitiavanao, ny halemem-panahinao, ny herim-ponao … Fotoana izao hahafantarantsika bebe kokoa ny maha-izy antsika ao amin’i Kristy!
Mivavaka aho mba hanampy anao ny Tompo hijery misimisy kokoa amin’ny Fijeriny ary handeha ao amin’ny Fitahiany isan’andro.