đź‘Ź Tohizo ! Tohizo hatrany !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | đź‘Ź Tohizo ! Tohizo hatrany !

Amin’ny mari-drefy 0 hatramin’ny 10, hatraiza ny itiavanao ny zanakao (na ny nitiavanao azy raha nanana ianao) ? Ny fitiavana raisintsika rehefa lasa Ray aman-dreny isika dia iray amin’ireo mahery sy lehibe indrindra eto an-tany.
Araka ny eritreritrao, hatraiza ny fitiavan’i Jesosy anao ? Jereo ny lazain’i Jesosy ao amin’ny Jaona 15 ary mamelĂ  ahy hanamboatra izany ho anao manokana : « Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo. » (Jaona 15:9) Endrey ! Tahaka ny hoe nanontany an’i Jesosy tamin’ny vavaka ianao hoe : “Tompo Ă´, hatraiza ny fitiavanao Ahy?, ary namaly izy hoe: “Hatraiza no inoanao ny fitiavan’ny Ray ahy ? Satria toy izany koa no itiavako anao. »
Avy eo dia tohizany hoe: « Raha mitandrina ny didiko hianareo, dia hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy ny itoerako amin’ny fitiavany » (Jaona 15:9-10).
Maro ny olona no mieritreritra fa rehefa tafalatsaka anaty fahotana izy ireo, dia mihena ny fitiavan’Andriamanitra azy, fa tsy marina izany ! Efa nomeny anao ny Fitiavany, araka ny hitanao ao amin’ny tapany voalohany amin’io andininy io. Ary mihoatra noho izany aza dia mahery tahaka ny an’ny Ray izy io.
Raha ny marina, rehefa latsaka anaty fahotana ianao … dia Tsia ! Tsy Andriamanitra no miala aminao fa ilay fahotana no manalavitra anao Aminy, ary tonga sakana manimba ny fifandraisanao Aminy. Izany no mahatonga an’I Jesosy manasa anao “hitoetra” ao amin’ny fitiavany, ary tsy hamela na inona na inona hanasaraka anao Aminy.
Ry namako, aza avela hisy fahotana hanakana ny fifandraisanao amin’Andriamanitra !
Mivavaka aho mba ho tapa-kevitra marina ianao hiala amin’ny fakam-panahy rehetra, amin’ny fahotana rehetra na amin’ny olona rehetra izay mikasa hanakana ny fiarahanao amin’Andriamanitra !
Ry namako, mivavaka ihany koa aho mba, ho toy ny apostoly Paoly, dia afaka ny hiteny ianao hoe : « Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika » (Romana 8:38-39)
Mitoera tsara ao amin’ny Fitiavany.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!