đź‘ŤTaomy hanao zavatra ny hafa !
Fantatrao ve fa ny orinasa mahomby indrindra dia ireo izay mametraka ny mpanjifa eo afovoan’ny paikadiny ? Eny tokoa, ireo orinasa izay mikatsaka ny mamantatra ny olana mba hanomezana vahaolana azy ireo no tena manana fifandraisana marina amin’ny mpanjifany, ka izany no ahafahany mahita fahombiazana lehibe kokoa.
Toy izany koa, ny mandrisika ireo tena mpitarika dia ny fahafahan’izy ireo mamantatra ny filan’ny olona mba hitadiavana vahaolana. Rehefa manana iraka voafaritra tsara izay fantany fa hitahy ny hafa ny mpitarika iray dia afaka mandrisika ny ekipany izy amin’ny alalan’ny fanomezana ohatra.
Izany no nataon’i Jesosy rehefa nahita ny vahoaka nanatona Azy Izy. Jereo ny lazain’ny Baiboly : « Ary nony niala Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka Izy ka onena azy, fa tahaka ny ondry tsy manana mpiandry ireo; dia nampianatra azy zavatra maro Izy. » (Marka 6 :34). Noho izany dia nandany ora maro Izy nampianatra azy ireo ary nivavaka ho azy sy nanasitrana azy : satria tiany ireo.
Tsy dia nijery loatra ny habetsak’izy ireo Jesosy fa nijery kosa ny maha-olona azy sy ny fiantraikan’ny vavaka tsirairay, ny fampianarana tsirairay ary ny fotoana niarahana tamin’izy ireo tsirairay avy, teo amin’ny fiainany sy ny fiainan’ireo taranany aty aoriana. Nahita sy nahatsapa izany zava-nisy izany isan’andro ireo mpianatra ary nanomboka nitory sy nivavaka ary nanasitrana tamin’ny anaran’i Jesosy mihitsy aza izy ireo.
Nandritra ny tantara dia olona maro no voakasiky ny toe-javatra niainan’ny olona iray izay nila fanampiana, ka ny fangoraham-pony dia nanosika azy ireo hanao izay tsy ho vitany mba hanampiana araka izay vitany, hany ka lasa nitaona ny hafa hanolo-tena hanao iraka mitovy aminy izy ireo. Tsy fantatr’izy ireo akory fa lasa mpitarika izay nitahy olona aman’arivony izy ireo noho ny ohatra nomeny.
Ry namako, manosika olona hafa hanao zavatra ny fangorahanao. Angataho Andriamanitra hampiseho anao ny toerana hahafahana ho tonga fitahiana ho an’ny hafa ary aoka ianao ho modely izay mitaona ny hafa hiaraka aminao ao anatin’io iraka io. Maniry hanao zava-tsarobidy amin’ny alalan’ny fiainanao Andriamanitra !