👍🏾 “Posy aho!”

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 👍🏾 “Posy aho!”

Efa nanao ilay lalao hoe “Touche-touche” ve ianao fony kely ? Mino aho fa eny ny valiny ! Tena tian’ny ankizy tokoa ny mihazakazaka etsy sy eroa no sady manenjika ny ankizy namana =) ( Samy hafa ny anaran’io lalao io , arakaraky ny vanim-potoana sy ny toerana tsirairay.)
Rehefa nanao io lalao io izahay dia, tsaroako nisy lalàna manandanja tsy maintsy nohajainay rehetra dia ny : mampiakatra ilay “Ankihibe tanana”.
Rehefa tsinjonay fa tena manakaiky tokoa ilay ankizy manenjika anay, ka mitady ho voakasika izahay dia afaka nikiaka avy hatrany hoe “Posy aho”, sady aseho ny ankihibe tanana.
Amin’io fotoana io dia, mijanona segondra fohy ny lalao mba ahafahana maka aina sy mieritreritra ny zavatra ho atao manaraka eo… dia avy eo mitohy indray ny lalao. Ilay “Posy aho” izany no fialofana rehefa miha sarotra ny lalao.
Ry namako, misy fotoana isika tena mahatsiaro tototry ny olana sy ny toe-javatra eo amin’ny fiainana. Izay indrindra no ilana ny fanaovana “Posy aho”, mba angalana aina amin’ny fotoana iray. Kanefa toa tsy mitovy, tsy mandaitra toy ny tamin’ny mbola kely intsony , ilay “ Posy aho” !
Hainao nefa ve fa, nanomana fialofana ho anao Andriamanitra, mba ahafahanao mialoka ao amin’Andriamanitra, sy mihato mba angalanao aina sy ahafahanao mandinika mazava kokoa ny zava-miseho ?
Eny, amin’ny fotoana rehetra dia manana fahafahana manokana, mialoka eo amin’Andriamanitra ianao, ary miato ihany koa mba angalanao aina sy andinihinao ny zava-misy.
Ao amin’Andriamanitra no ahitantsika “trano-lay ho fialokalofana amin’ny hainandro raha antoandro Ary ho fialofana sy fierena amin’ny tafio-drivotra sy ny ranonorana.” Isaia 4:6 .
Eny, Andriamanitra dia tena fialofana ho an’ny fanahintsika ! Mandritra ity erinandro, dia hizara aminao, andiana fanalahidy ahafahanao manandrana ny fialofan’Andriamanitra amin’ny fomba tena izy, amin’ny andavanandronao. Vonona ve ianao ?
Anio, makà aina eo amin’Andriamanitra.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!